Tsy mbola miravina ny disadisa misy eo amin’ny federasiona malagasin’ny ady totohondry (Fmbo) sy ireo ligim-paritra sasantsasany nandritra ny fiadiana ny tompoondakan’i Madagasikara, ny voalohandohan’ity volana desambra ity. Naaton’ny federasiona tamin’ny asa amin’ny maha sekretera jeneraliny azy mantsy i Adrien Rarivoson noho izy nambara fa niray tsikombakomba amin’ny fikasana hanilika ny filohan’ny Fmbo, Hery Mamy Rabarisoa. Araka ny nambaran’ity farany, ligim-paritra efatra, Diana, Menabe sy Atsinanana ary Atsimo Andrefana, no niraisan’ity sekretera jeneraly teo aloha ity tsikombokomba. Amin’izao fotoana, efa mikononkonona hanilika ireo mpomba ny filohan’ny Fmbo ireo ligim-paritra voatanisa etsy ambony ireo. Nanamafy filohan’ny Fmbo anefa fa tsy manan-kery avokoa ny fifidianana ligim-paritra tao anatin’ny didim-panjakana lah.2008/1061, izay efa nofoanan’ny minisitera, volana vitsy lasa izay. Izany hoe, ireo mpitantana ligy rehetra tamin’ny taona 2005 ihany no tokony mbola mitantana mandra-pahavitan’ny fifidianana vaovao.
Noho izay rehetra izay, nilaza ny hampivory ireo mpitantana eo anivon’ny federasiona ny filohany hanapahana ny sazy omena ireo ligim-paritra tsy manara-dalàna.
Miary Narindra Rakotoseheno