www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 18/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.917.07 Ar
USD2.120.08 Ar
GBP3.252.73 Ar
CHF2.012.42 Ar
JPY23.41 Ar
ZAR290.54 Ar
HKD273.14 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 18/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX D’OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
KOLONTSAINA
Mikea sy Samoëla
 
Seho hanampiana ny ankizy sahirana

        <b> Hiray sehatra sy hiray fo ho an’ny ankizy sahirana. Hiompana amin’izay ilay fampisehoana iarahan’i Samoëla sy ny tarika Mikea. Mba samy ho velon-tsiky mandritra ny fety...
 
«Mazoto foana Samoëla rehefa zavatra misy dikany no hatao», hoy i Samoëla. «Efa nanapa-kevitra ny tsy hanao cabaret intsony aho, saingy hafa ity satria hafa izany hanampy ny sahirana izany», hoy kosa i Théo Rakotovao, lehiben’ny tarika Mikea. Hifampizara sehatra ny tarika roa, mandritra ilay hetsika hotontosaina ny alarobia 23 desambra izao amin’ny 9 ora alina, eny amin’ny Carlton Madagascar. Fantatra mantsy fa hatokana manontolo hampifaliana ireo ankizy sahirana manerana ireo boriborintany enina eto an-drenivohitra ny tombony rehetra azo amin’ny seho.
 
«Omeo tsiky izy ireo» no teny fanentanana nataon’ny K.Deal Events, mpikarakara ny hetsika. Ny 24 desambra mantsy no hizarana ny kilalao ho an’ireo ankizy 500 eo ho eo, isaky ny boriborintany. Hiainga eny amin’ny Citic Behoririka ny filaharambe amin’ny 8 ora sy sasany, ka hitety ireo Epp vitsivitsy.
 

 
Tsy hisy fampiaraham-peo
 
Haka endrika fampisehoana roa samy hafa ny fotoana. Samy hanomana hira 14 avy eo ho eo ny tarika roa amin’io. «Fifaliana ho anay ny hifampizara sehatra. Indrisy fa be ny manahirana ka tsy afaka nanomana hira iarahana izahay», hoy i Théo. Na izany aza, nampanantena izy fa tokony hisy ny fiarahany miasa amin’i Samöela sy ny mpanakanto hafa aoriana kely.
 
Mialoha izany, hitondra santionany tamin’ireo fampisehoana an-jatony notontosaina nandritra ny fitetezam-pirenena nataony ny Mikea anio amin’ny 7 ora hariva, etsy amin’ny CCAC Analakely.
 

 

Zo ny Aina Randriatsiresy

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com