|
 |
TOEKARENA |
|
|
Mpianatry ny Essca Antanimena Toetra volena ny fandraharahana
|
|
<i>«Esorina ao an-tsain’ny mpianatra dieny aty am-boalohany ny hiasa aman’olona, fa volena kosa ny toetra maha mpandraharaha any aoriana», hoy Rtoa Virginia Razafindrakoto, mpampianatra tompon’andraikitra ao amin’ny Ecole Supérieur Sacré-Coeur (Essca) Antanimena. Tafiditra anatin’ny fandaharam-pianarana, noho izany, ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ireo mpianatra sy ireo mpandraharaha eto an-toerana. Nandritra ny fihaonana notontosaina ny alarobia teo, tonga nizarazara sy nanoro hevitra ireo mpianatra ireo mpandraharaha tanora, toa an’i Tsiry Andrianatoandro (Sary sy Feo.Mg), Arilala Ramanantsoa (Mada Vision) ary i Dadafara (Discount Store Saturne). Mpiara-miasa amin’ity ivo-toeram-pampiofanana ambony ity izy ireo, no maintimolalin’ny sekoly ihany koa. «Mila matanjaka ny tetikasa, izay tovanana finiavana, fa tsy voatery misy vola hiaingana foana», hoy Rtoa Arilala Ramanantsoa, nandritra ny fotoana nizarazarany ny lalana nizorany. «Ny famoronana no mila omen-danja, avy eo manaraka ho azy ny fahatokisan’ny hafa», hoy kosa i Tsiry Andrianatonandro. Hita ho nandrisika ireo mpianatra izany, raha ny fanontaniana marobe napetrak’izy ireo no hitarafana azy. Marihina fa hatao isam-bolana ny fihaonan’ny mpianatra sy ny mpandraharaha toa izao ao amin’ny Essca, mba hahafahan’ireo mpianatra manoritra ny lalan-kizorany sahady.
Zo ny Aina
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|