www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 18/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.917.07 Ar
USD2.120.08 Ar
GBP3.252.73 Ar
CHF2.012.42 Ar
JPY23.41 Ar
ZAR290.54 Ar
HKD273.14 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 18/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX D’OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
TOEKARENA
Jovenna-Fanoloana menaka
 
Fanatsarana ny kalitaon’ny tolotra

        Asa matihanina ! Tolotra vaovao indray no omen’ny mpaninjara solika Jovenna ny mpanjifa. Nomena ny anarana hoe «Prolub», ahitana ny karazana menaka sahaza ny fiara samihafa (mandeha gazoala na lasantsy), miampy ny fanoloana azy sy ny fanaraha-maso ny kojakoja hafa, toy ny bateria, ny «filtre» samihafa, ny «essuie-glace», sns.
 
Nahazo fiofanana manokana ny mpiasan’ny Jovenna misahana ireo andraikitra ireo, hanomezana fahafaham-po ny mpanjifa. Menaka tsara kalitao sy voaara-maso ary manara-penitra no ampiasaina, mba hahazoan’ny tompona fiara antoka ny fiarany. Anisan’ny mitsinjo ny tontolo iainana ny Jovenna. Atao anaty fitaovana manokana ny menaka avy nampiasaina, ary misy orinasa hafa, nahazo alalana tamin’ny Ofisin’ny solika eto Madagasikara (Omh), manangona azy indray avy eo.
 
Ampahatsiahivina fa misy ny loka, hisarihana fiara «Chevrolet» anankiroa, ho an’ireo mividy solika 5 litatra noho mihoatra sy ny fividianana vokatra ara-tsolika, toy ny tolotra «Prolub», ohatra. Hatao tsy ho ela ny fisarahina voalohany ary amin’ny fiandohan’ny taona 2010 ny faharoa.
 

 

Njaka A.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com