www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 13/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.925.04 Ar
USD2.137.06 Ar
GBP3.239.57 Ar
CHF2.016.67 Ar
JPY23.64 Ar
ZAR288.79 Ar
HKD275.44 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 13/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX DU MOUSSON SUR LE TIERS NORD, DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD AILLEURS

Voir le détail
TOEKARENA
Tolo-bidy fitrandrahan’ala
 
340 tapitrisa Ar ho an’ny ala 250 ha

        Nidangana izaitsizy ! Taitra avokoa ireo mpandraharaha nanolotra tolo-bidy liana hitrandraka ny vondron’ala iray any Andilamena (Vakoana Marimbona). Fito izy ireo no nanao ny fitsidihana ny toerana herinandro vitsy lasa izay, saingy efatra ihany no nanao tolotra ara-bola sy ny ara-teknika. Tamin’ny alarobia lasa teo no nanokafana ny valopy mirakitra ny tolotra ara-bola sy ara-teknikan’izy ireo. Sahy nividy ny ala hatrany amin’ny 340 tapitrisa Ar ny mpandraharaha iray (miara-miombon’antoka amin’ny olona vitsivitsy) nahazo azy, raha manodidina ny antsasany na ny ampahadimy ny hafa. Mirefy 250 ha monja io ala io, izay hotrandrahina ao anatin’ny 36 volana eo ho eo. Raha ampitahaina amin’ilay vondron’ala any amin’ny distrikan’Amparafaravola (Sahamora) izay mirefy 150 ha anefa, 50 tapitrisa Ar no nahazoan’ilay mpandraharaha iray hafa azy, hotrandrahina ao anatin’ny 18 volana. Marihina fa ity olona iray ity ihany no nanome tolo-bidy, raha nanao ny fitsidihana koa iretsy fito voalaza etsy ambony. Aorian’ny fandoavana manontolo ny vola, vao omena ny fahazoan-dalana hitrandraka.
 
Nahavariana tamin’ity raharaha ity ny nanatanterahina azy nialoha ny faran’ny taona. Mila vola maika ve ny fanjakana, toy ireny nitranga mikasika ny «bois de rose» tany Sava ireny ? Herinandro vitsy lasa izay no nampiaka-peo ny mpandraharaha matihanina sy manana masinin-kazo tany Moramanga, mikasika ny ampihimamba ataon’ny tompon’andraiki-panjakana vitsy ny alan’i Fanalamanga.
 

 

Njaka Andriantefiarinesy

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com