www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 19/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.904.36 Ar
USD2.124.66 Ar
GBP3.242.87 Ar
CHF2.006.57 Ar
JPY23.54 Ar
ZAR290.64 Ar
HKD273.77 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 19/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX VARIABLE FAIBLE SUR MADAGASCAR

Voir le détail
POLITIKA
Hevitry ny mpanao politika sy mpandraharaha sasany
 


        <b> Reboza. (ankolafy Andry Rajoelina) Iza marina no sahy handray anjara ?
 
Ny vahoaka no tompon’ny fahefana sy tompon’ny teny farany araka ny Lalàmpanorenana. Efa natao ny fanelanelanana fa tsy nahomby. Koa avelao ny vahoaka hifidy izay homeny ny fahefana amin’izay. Tokony hijoro ny fiarahamonim-pirenena hanangana ny komity momba ny fifidianana mahaleo tena. Toy izany koa ireo fikambanam-behivavy. Fanontaniana, iza marina no sahy handray anjara ? Rehefa hatao mantsy ny fifidianana, betsaka no mihalangalana fa rehefa hizara seza samy mihazakazaka daholo.
 

 
Hary Andriantefihasina. (mpandraharaha)
 
Ny azoko ambara, sahirana ny mpandraharaha. Manana ny hevitro manokana aho fa ny manahirana, raha milaza izany, avy hatrany ny olona mora mitsara, tsy ampy «recul». Ny azoko ambara, sahirana mafy ny mpandraharaha tamin’ity taona ity. Tsy hoe akory izahay nahazo ny TJE 2009 dia nandeha tsara daholo, tsia ! Raha tsy nisy an’iny krizy iny, tokony ho tafakatra avo telo heny ny vola nampiasainay tato amin’ny Ouvrages et Travaux Industriels tamin’ity taona ity. Efa matetika ny sendikan’ny asa vaventy no nilaza ny voka-dratsin’ izao krizy izao.
 

 
Tsaranazy Jean Emile. (ankolafy Ratsiraka) « Après coup d’Etat, coup de force» «Après coup d’Etat, coup de force». Izay no azoko ilazana iny fanambarana iny. Hanaiky hanao izany fifidianana izany ve ireo ankolafy hafa ? Vao mainka isika tafiditra anaty krizy lalina. Efa nampiongana an-dRavalomanana io fomba io dia mbola alain-tahaka ihany. Fomba fotsiny ny hoe hanangana komity momba ny fifidianana mahaleo tena fa tsy hisy fifidianana mazava sy marina eto izay homanina ao anatin’ny fotoana fohy. Ho betsaka ny hala-bato toy ny teo aloha.
 

 

Nangonin’i R.Mathieu

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com