|
 |
POLITIKA |
|
|
Manorohanta Cécile «Efa vonona amin’ny fifidianana»
|
|
Vonon-kiatrika ny fikarakarana ny fifidianana avy hatrany ny praiminisitra lefitra misahana ny atitany, Manorohanta Cécile Dominique, araka ny resany tamin’ny mpanao gazety, omaly tao Anosy. «Mitombina ny fanapahan-kevitry ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina ka izay asa mifanandrify amin’izay izao no hatao, izany hoe miroso amin’ny fifidianana», hoy izy. Araka ny filazany, tsy vaovao ny fanaovana an’io ary efa nambarany matetika rahateo fa tsy maintsy hiafara amin’ny fifidianana ny krizy ka niomana izy ireo. Heveriny hanamora ny asan’ny departemanta iantsorohany ny hametrahana ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Hankinina amin’io, araka ny fanazavany ny fanaovana ny lisi-pifidianana sy famoahana ny voka-pifidianana. Efa ao anaty tetibola 2010 ny holaniana amin’ireo fifidianana telo kasaina amin’ny taona ho avy, izay handaniana 25 ka hatramin’ny 30 miliara Ar isanisany.
Zoelson Randrianindrina
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|