www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 16/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.915.88 Ar
USD2.127.32 Ar
GBP3.203.11 Ar
CHF2.009.46 Ar
JPY23.45 Ar
ZAR287.59 Ar
HKD274.20. Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 16/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD A NORD OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
POLITIKA
Depiote Heritafika Ratsimbazafy
 
Tonga omaly ihany

        Tafody, omaly, raha nilaza ny tsy hody raha tsy miaraka amin’ireo ankolafy telo mihitsoka ao Prétoria ny depiote Arema, Ratsimbazafy Heritafika. Fohy ny teniny teo am-pahatongavana teny Ivato, omaly : «Tsy misy fanambaràna an-gazety fa mitohy ny tolona».
 
Ny fanatrehana farany ny zanany vavimatoa, Ratsimbazafy Olivanna, izay nodimandry nandritra ny fijanonan-dry zareo tany ivelany no nahatongavany, na mbola mafana aza ny raharaha politika eto amintsika. Vao tsy ela rahateo no nilaza ny minisitry ny filaminana anatiny, Rakotomihantarizaka Organès fa afaka mody izy noho ny fahoriana. Tsiahivina fa mbola nifampiresaka an-tariby izy mianaka ny alatsinainy alina teo, talohan’ny nahafatesan’ity zanany ity. Any Imerin’Imady no hanaterana ny vatana mangatsiakan’ny zanany. Nitsena ny depiote Heritafika teny Ivato ny fianakaviany sy ireo mpiray antoko aminy ao amin’ny Arema ary ny solontenan’ny ankolafy telo eto an-toerana. Marihina fa ho tonga anio koa ireo delegasionan’ny Maputo III tavela tany Prétoria.
 

 

Zoelson Randrianindrina

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com