|
 |
SONGADINA |
|
|
Kmf/Cnoe « Fitsapan-kevi-bahoaka no tokony hatao aloha »
|
|
<i>«Ny fikaonandoham-pirenana no tokony hatao aloha. Miainga avy amin’izany ny volavolan-dalàmpanorenana sy lalàm-pifidianana vaovao», hoy ny filoha nasionalin’ny Kmf/Cnoe, Ernest Razafindraibe, momba ny fifidianana depiote amin’ny 20 marsa 2010. Amin’ny alalan’ny fitsapan-kevi-bahoaka no handaniana ny Lalàmpanorenana, araka ny fanazavany. Tokony hiainga amin’ny fikaonandoham-pirenena na sehatra fifanakalozan-kevitra ny fananganana ny Vaomiera mahaleo tena misahana ny fifidianana (Ceni). Raha ny Antenimiera mpanorina ny Repoblika ihany no handany ny Lalàmpanorenana : tokony horavana izany Antenimiera izany, rehefa tafajoro ny Repoblika vaovao. Tsara ny fifidianana depiote alohan’ny fifidianana Filohan’ny Repoblika : demokratika kokoa, mba tsy voasariky ny antokon’izay Filoha voafidy ireo mirotsaka ho depiote, sns. Raha ny depiote maro an’isa eo anivon’ny Antenimiera no hanendry izay ho Praiminisitra, efa karazam-pitondrana izany : fitondrana parlemantera. Tokony ho ny Lalàmpanorenana no hamaritra ny karazam-pitondrana hajoro. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina : izay depiote voafidy amin’ny 20 marsa 2010 no hiasae mandritra ny dimy taona voalohany amin’ny Repoblika IV. Mety tsy handray anjara amin’io fifidianan depiote io koa ny mpanohitra. Ho antoko tokana indray no hanjaka eo anivon’ny Antenimiera handany ny Lalàmpanorenana amin’izany : hiverina indray ny endri-javatra teo aloha...
R. Nd
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|