www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 18/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.917.07 Ar
USD2.120.08 Ar
GBP3.252.73 Ar
CHF2.012.42 Ar
JPY23.41 Ar
ZAR290.54 Ar
HKD273.14 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 18/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX D’OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
SONGADINA
Hihetsika ny mpitondra fivavahana

        <i>«Mijoro izahay. Mijaly ny vahoaka ary sahirana ka tsy maintsy miteny ny fiangonana. Tsy azonay ekena ny zava-mitranga», hoy ny Pasitera isany Ranaivonarivo Tiana Alisoa, Randriamisata Roger ary Ramamonjisoa Philibert miaraka amin’ireo mpitondra fivavahana sasany tao Vohipiraisana, omaly. Niantso ny olom-pirenena sy ny kristianina izy ireo mba hivavaka.
 
Nitodika tamin’ny mpitandro filaminana koa izy ireo mba tsy hanao fihetsika mety hampahory ny vahoaka. «Meteza hiaro ny aina sy ny fananan’ny vahoaka. Aoka tsy hanana fironanana amin’izao hevitra tsy mitovy izao», hoy izy ireo. Nahazo ny anjarany ireo eo anivon’ny fitsarana, mba hampiasa izany andraikitra izany am-pahamarinana ka tsy hiandany na hanaiky hampisambotra noho ny hevitra tsy mitovy. «Vahaolana goavana hamahana ny krizy izany anjarabirikinareo izany», hoy ihany izy ireo. Nampahatsiahy ireo mpanao politika ny amin’ny tokony hametrahana ny soatoavina Malagasy sy ny maha kristianina. «Manentana ireo tsy mitovy hevitra eto amin’ny firenena izahay mba hitarika ny vahoaka ho any amin’ny fifamelan-keloka sy ny fihavanana mba hilaminana. Mamelà ny helokay tahaka ny namelanay izay meloka taminay», hoy izy ireo.
 

 
Atsaharo ny krizy
 
Momba ireo delegasiona tavela any ivelany, nohamafisina fa ny tsy famelana ny mpiray tanindrazana hody, toy ny vary aloha ihany ka tsy mahavita taona. «Tsy hampilamina izany ary atsaharo ny lainga sy ny fitaka. Ny fihantsiana sy ny fankahalana», hoy izy ireo. Hetsika hataon’izy ireo ny hifampiresaka amin’ny ankolafy telo sy ny mpitondra, ny olon-tsotra… «Vonona izahay hampilamina ny firenena. Ny fanirianay dia ny haneken’ny manana fahefana mba hampitsahatra tsy misy hatak’andro ny krizy», hoy ireto olom-piangonana ireto. Momba ny seza, tsy mitady toerana izy ireo fa vonona ny hifampiresaka sy hifanatona ary hanolotra soso-kevitra.
 
Hanao ahoana ny ho fandraisan’ny kristianina izany ? Sambany indray no tena miditra amin’ny raharaham-pirenena ny mpitondra fivavahana sasany. Efa naneho ny heviny ny rahateo ny mpiasam-panjakana, mpanao politika, mpianatra, manamboninahitra… Andrasana koa ny Ffkm. Tsy vao voalohany anefa ny toy izao. Ny taona 1990, nandalo ny taona 2001 no nihetsehan’ny mpitondra fivavahana sy nidinany an-kianja.
 

 

Synèse R.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com