www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 15/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.925.04 Ar
USD2.137.06 Ar
GBP3.239.57 Ar
CHF2.016.67 Ar
JPY23.64 Ar
ZAR288.79 Ar
HKD275.44 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 15/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX DU MOUSSON SUR LE TIERS NORD, DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD AILLEURS

Voir le détail
SONGADINA
Fifidianana amin’ny marsa 2010
 
Tsipahin’i Frantsa ny hevitr’i Andry Rajoelina

        Mitsipaka ny fanambaran-dRajoelina, afakomaly ny fitondrana frantsay, araka ny fanambaran’ny fiadidiana ny raharaham-bahininy, omaly. «Tsy vahaolana maharitra ny hanaovana fifidianana depiote amin’ny 20 marsa amin’ny taona ho avy izao….», hoy ny fanambarana. Na izany aza anefa, nametraka fepetra ny frantsay fa tokony ho azo antoka ny hisian’ny mangarahara sy ny fanaraha-mason’ny vaomiera mahaleo tena izany fifidianana izany ary ho eo ambany fiahian’ny fianakaviambe iraisam-pirenena.
 
Etsy andaniny, mbola miantso ny hery rehetra eto amin’ny firenena ny frantsay mba hiverina hifampiresaka indray hahitana ny marimaritra iraisana ivoahana amin’ny krizy.
 
Midika izany, fa azo tanterahina ihany ny fifidianana depiote raha ny fanehoan-kevitry ny fitondrana frantsay. Karazan’ny mifanipaka ny voalazany ary mety hampitombina ilay fitenenana, «manao vazaha mody miady…» amin’ny fitondrana Rajoelina ny frantsay. Tsy azo hadinoina rahateo fa lasa any Frantsa, Ratsirahonana Norbert Lala anisan’ny olona akaiky an-dRajoelina nialohan’iny fanambarana amin’ny hanaovana fifidianana depiote amin’ny taona ho avy iny. Mbola mampametra-panontaniana koa fa mandeha mitokana hatrany i Frantsa raha mitaha amin’ireo anivon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena eo amin’ny fanehoan-kevitra momba ny krizy eto amintsika.
 

 
Fahamatorana ara-politika
 
Manoloana izany, tena vita kajy sy voahevitra ary mipetraka amin’ny fahamatorana ara-politika ve iny fanapahan-kevitr’i Andry Rajoelina iny ? Efa niseho teo aloha ny fiovaovan-kevitra. Tsy ampy rahateo ny fanazavana ny antsipiriany. Ohatra, mbola hanohy ny fifampiresahana ve ?
 
Etsy andaniny, andrasana ny fanambarana avy amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny Vondrona Afrikanina (Ua). Nialoha lalana amin’ny fanambarana aloha ny frantsay…
 

 

Synèse R.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com