|
 |
FIARAHAMONINA |
|
|
Cntemad Manomboka ny taom-pianarana 2009-2010
|
|
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny taom-pianarana vaovao 2009-2010 ny sekoly ampitain-davitra Cntemad. Nambaran’ny talen-tsekoly, Rakotondramparany Sylvain Miandrisoa, tamin’izany fa hotohizana amin’ity taona ity ny fanatsarana sy fanatevenana ny tahirin-kevitra rehetra. Hatsaraina ireo sampam-pianarana 27 manerana ny Nosy mba hitovy lenta. Hampahafantatra bebe kokoa ny «logiciel libre» ihany koa izy ireo. Tsy hadino ny fananganana ny foibe iray ahafahan’ny mpianatra mampiasa ny internet hanaovany fikarohana amin’ny fandalinana ny fianarana izay ataony. Tetsy andaniny, nanambara ny minisitry ny fampianarana ambony, tonga nanatrika ny lanonam-panokafana ny taom-pianarana omaly fa eken’ny fanjakana ny diplaoma avoakan’ny Cntemad ary mitovy lenta amin’ny diplaoman’ny oniversite. Azo ampiasaina amin’ny fifaninanana rehetra araka izany ny diplaoma avoakan’ity fampianarana ampitain-davitra ity. Marihina fa nandritra ity taonan’ny krizy ity, nandeha tsara ihany ny fampianarana tao amin’ny Cntemad, saingy ny fotoam-panadinana no tsy maintsy nahemotra iray volana. Toy ny sekoly sy orinasa rehetra dia nandalo krizy ny sekoly Cntemad tamin’ity taona ity. Nahatratra 8.332 ireo mpianatra tamin’ny taon-dasa.
Tatiana
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|