www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 18/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.917.07 Ar
USD2.120.08 Ar
GBP3.252.73 Ar
CHF2.012.42 Ar
JPY23.41 Ar
ZAR290.54 Ar
HKD273.14 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 18/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX D’OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
FIARAHAMONINA
Sbpm
 
Nametraka fepetra amin’ny fanjakana

        Eo anatrehan’ny fampiatoana vonjimaika nataon’ny minisiteran’ny asam-panjakana, ny asa ary ny lalàna sosialy ny asa fandraharahana ataon’ireo birao fametrahana olona hiasa (Sbpm), nanao fanambarana ity farany fa apetraka eo ambany fiahian’ity minisitera ity sy ireo minisitera hafa voakasiky ny raharaha Liban ny asa aman-draharahan’ny Sbpm. Andraikitry ny minisitera no mamaha ny olana sy ny fahavoazana samihafa mitranga amin’ireo Malagasy rehetra mila ravinahitra any Liban, tokony horaisin’izy ireo ny ray aman-dreny manana raharaha manokana momba ny asa any Liban. Andraikitr’izy ireo koa, araka ny fanambarana ihany, ny manonitra ny vola vokatry ny fitakian’ireo mpampiasa any Liban (pasipaoro, saran’ny fizaham-pahasalamana…). Takian’ny mpitantana ny Sbpm ny fampiatoana ny fandefasana mpiasa teratany malagasy amin’ny firenena tsy misy ny masoivohontsika toy ny any Koweit. Ireo no fepetra napetraky ny Sbpm mandra-pahatongan’ny fanomezan-dalana indray hanohy ny asa. Voalaza fa noho ny fitarazohan’ny famerenana ny fahazoana manohy ny asa sy ny tsy fananan’ny ivotoerana fametrahana mpiasa ny hoenti-manana no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao.
 
Nampahafantatra ny sendikan’ny mpandray mpiasa any Liban fa tsy afaka handoa ny saram-pitateran’ny delegasiona malagasy ho any an-toerana izy ireo. Nohamafisin’ireo, fa hanapaka tanteraka ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny sendika libaney raha tsy mivaha hatramin’ny 15 desambra (anio) ny olana.
 

 

Nangonin’i Vonjy

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com