www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 16/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.915.88 Ar
USD2.127.32 Ar
GBP3.203.11 Ar
CHF2.009.46 Ar
JPY23.45 Ar
ZAR287.59 Ar
HKD274.20. Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 16/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD A NORD OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
SONGADINA
Fianakavian’ireo tavela ao Pretoria
 
« Fanitsakitsahana ny zon’olombelona izao »

        Mitaky tsy misy hatak’andro ny hiverenan’ireo sakanana tsy hody an-tanindrazana ny fianakavian’izy ireo, araka ny fanambaran’izy ireo tamin’ny mpanao gazety, teny Ankerana, omaly. Nitarika izany ny vadin’ny Pr Zafy Albert, Rtoa Thérèse Zafy. Nasaina any ivelany hanatanteraka iraka hitadiavana vahaolana ho an’ny firenena no nandehan’izy ireo tany Maputo, Mozambika, nefa voasakana tsy hiverina hody eto an-tanindrazana sy eo anivon’ny tokantranony. Tavela ao Pretoria, Afrika Atsimo, izy ireo amin’izao fotoana izao. Amin’ny fianakaviana, fanitsakitsahana ny zo maha olona izao fanakanana izao, araka ny And. 9 sy 13 ao amin’ny Fanambarana iraisam-pirenena momba ny zon’olombelona, fanaovana tsinona ny maha olom-pirenena azy ireo koa.
 
Maneho fisaorana feno ho an’ny fanjakana mozambikanina sy afrikanina tatsimo amin’ny fampiantranoana ireo delegasionan’ny ankolafy telo (Zafy, Ratsiraka, Ravalomanana) ny fianakaviana aty an-tanindrazana. Miantso ny rehetra eto an-tanindrazana hiombom-po sy saina amin’izy ireo koa ny fianakaviana, ka hanao ho zava-dehibe sy adidy ny fitakiana ny fiverenan’izy ireo. Miantso fiaraha-mientana hampanjaka ny fahalalahana mba hisian’ny fanajana ny zo maha olona koa ny fianakavina, ary manentana ny Malagasy ho tony ary hiray hina hampanjakana ny fahendrena maha malagasy.
 

 
Tsy mbola misy fepetra
 
Handray fepetra ve ireo fianakaviana, raha tsy tanteraka ny fitakiana ? Tsy misy fe-potoana, tsy nisy filazana izay hataon’izy ireo. Miankina amin’ny fivoarana na fikatsoan’ny toe-draharaha no mety hitohizana sy hivelaran’ny fitakiana amin’ny endriny hafa kokoa. Hijanona amin’ny fitakiana fotsiny ve ny raharaha ? Ankatoky ny fetin’ny krismasy sy ny faran’ny taona izao : fotoana fihaonana sy fikoranan’ny fianakaviana. Ho fanomezana ho an’ny fianakavina ny fodian’ireo mbola tavela ao Pretoria sa ho fanomezana misy poizina ho an’ny tomponandraikitra isan’ambaratonga ?
 

 

R. Nd.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com