www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 16/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.915.88 Ar
USD2.127.32 Ar
GBP3.203.11 Ar
CHF2.009.46 Ar
JPY23.45 Ar
ZAR287.59 Ar
HKD274.20. Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 16/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD A NORD OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
TRANGA
Mahajanga
 
Voasambotra ilay zandary namono olona

        Roa taona taty aorian’ny nanaovany vonoan’olona nahatsiravina vao voasambotra tany Mahajanga ny zandary iray manana barety roa anisan’ny mpiambina teo anivon’ny andrim-panjakana loholona. Notifirin’ity mpitandro filaminana ity ny basy teo amin’ny tampon-dohany ny mpanampy ny rahavavin’ny tovovavy sakaizany, ny 26 desambra 2007 teny Ambaniantsimo, Tanjombato. Nisy fety tao amin’ilay tovovavy niaraka taminy tamin’io fotoana io. Vory lanona niara-nisotro sy nihinana ny fianakaviany. Niakatra ny marim-pana avy eo ka nahatonga ilay zandary naka basy sy nitifitra ilay mpanampy vao 24 taona, izay maty tsy tra-drano. Ilay zandary kosa nitsoaka ary tsy hita intsony raha tsy ny talata teo tany Mahajanga. Nentina niakatra teto an-drenivohitra izy ary natolotra ny fampanoavana ny zoma teo. Nahazo fahafahana vonjimaika anefa ka nahatezitra mafy ny fianakavian’ny niharam-boina sy ny mpanao famotorana. Naverina teny amin’ny fampanoavana indray izy omaly fa nahazo fahafahana vonjimaika hatrany mandra-pahatongan’ny fotoam-pitsarana.
 

 

Henintsoa R.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com