|
 |
TRANGA |
|
|
Ambatoabo –Taolagnaro Mihorohoro andro aman’alina ny mponina
|
|
Any amin’ny Faritra Anosy, 28 km miala ny lalam-pirenena faha 13 no misy ny kaominina ambanivohitra Ambatoabo. Somary mitoka-monina ary mihorohoro andro aman’alina ny mponina noho ny afitsoky ny dahalo. Tsy fifanarahana teo amin’ny fiarahamonina, na fialonana no niteraka ny olana tany aloha. Misy, noho izany, olona manafatra dahalo avy any ivelan’ny Faritra handroba ny olona tsy tiany. Nahasarika ireo mpandroba ny omby tany aloha, izay sarobidy ho an’ny tantsaha eo amin’ny asany andavanandro. Ankehitriny, lasibatra avokoa ny vola, na ny kojakoja fampiasa ao an-dakozia. Ary tsy misalasala mamono izay sahy misakana izy ireo. Ny resaka nifanaovana tamin’ny tompon’andraikitry ny filaminana no nahafantarana ireo antony lehibe mampirongatra ny asan-dahalo any an-toerana. Tsy ampy ny isan’ny mpitandro filaminana ka tsy afaka mijanona maharitra amin’ny toerana iray izy ireo. Tsy ampy ihany koa ny fitaovana toy ny fiara, hahafahan’izy ireo mamonjy ireny toerana mitoka-monina ireny. Efa lasa lavitra ireo dahalo vao tonga any an-toerana ny mpitandro filaminana ka sarotra ny fanarahan-dia. Tsy mbola voasaron’ny tambajotran’ny fifandraisana ny any Ambatoabo. Anisan’ny antony mahasarotra ny fisamborana ireo olon-dratsy ny tsy fahasahian’ny olona manome vaovao ny mpitandro ny filaminana. Matahotra ny valifaty mety hataon’ny olon-dratsy izy ireo. Noho izany, antso avo no ataon’ny mponina ao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambatoabo ny mba hijeren’ny manam-pahefana sy ny tompon’andraikitra akaiky ny zava-misy any an-toerana satria mandry tsy lavoloha ny mponina.
R.Mathieu
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|