Nanantitra ny fanentanany hiverenan’ireo ankolafy efatra amin’ny fifampidinihana, omaly, i Pierrot Rajaonarivelo, amin’ny maha olom-pirenena azy. « Tsy rariny raha ny fizaran-tseza amin’ny minisitera vitsivitsy no hampandringa ny hoavin’ny firenena », hoy izy. Raha ny fahitany azy, toa diso fahavalo ireo ankolafy efatra. Tokana ny fahavalo, raha ny filazany, dia ny fahantrana ka mila ny zanany rehetra i Madagasikara hanarina azy. «Mbola miantso azy ireo handray ny tena andraikiny sy ny adidiny aho», hoy ihany izy.
Tsy vao izao Ingahy Pierrot Rajaonarivelo no nanao antso avo toy izao, toy ny efa ataon’ireo vondron-kery ivelan’ireo ankolafy efatra. Anisan’ny notsiahiviny fa tsy lalana ho amin’ny filaminana ny fandikana samy manana ny azy ireo satan’i Maputo sy ny fifanarahana tovana tany Addis-Abeba. Torak’izany koa ny ady varotra sy fihetsika mitarika amin’ny fifankahalana ataon’ireo ankolafy efatra noho ny ady seza. Ny vahoaka ihany no mizaka ny vokany. «Tsy misy tsirim-panantenana taratra akory ny isan-tokantrano fa mitaintain-dava», hoy izy. Naneho hatrany ny fahavononany hiasa ho an’ny tanindrazana koa izy, ary maniry ny « hisian’ny fifidianana malalaka, madio, mangarahara ao anatin’ny fe-potoana eken’ny rehetra, mba hiverenan’ny firenentsika eo anivon’ny Vondrona iraisam-pirenena ».
Nangonin’i Zoelson Randrianindrina