www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 16/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.915.88 Ar
USD2.127.32 Ar
GBP3.203.11 Ar
CHF2.009.46 Ar
JPY23.45 Ar
ZAR287.59 Ar
HKD274.20. Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 16/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD A NORD OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
INDRAIM-BAVA
INDRAIM-BAVA
 
Savorovoro tanteraka

        Tanteraka ny fanirian’ny mpivarotra amoron-dalana. Nomena azy ny arabe izay nilainy rehetra eto an-drenivohitra, ny manoloana ny hopitaly Befelatanana mandritra ny herinandro. Faly sy ravo ireo nivoy ny fanoherana ny fandaminana nokasain’ny kaominina hapetraka. Be koa ireo mpamendrofendro tamin’ny gazety sy ny fahitalavitra fa tsy rariny ny mahazo ireo madinika raha afindra eny Namontana Madera. Ny mpanao politika tsy nisy mpihaino intsony ka niandry kendry tohina mba handrehetana ny afo handrodanana izay efa mijoro. Fanjakan’ny madinika tokoa, araka ny tolom-bahoaka tamin’ny mey 1972 nentina nandrodanana ny fanjakana saribakolin’ny mpanjanaka. Lasa lalan-tokana sy tery ny eo Behoririka ka lalana 20 metatra atao ao anatin’ny adiny iray. Ireo mpandeha taxi-be sy ny taxi mihitsoka eo tsy mba olona mitady fivelomana fa ry zareo mpivarotra ampovoan-dalana ihany no mitrongy vao homana. Ry zareo tsy mandoa hetra, mitondra fako sy loto, mahabe ny mpanendaka sy mpanao sinto-mahery indray no avo vava rehefa mahazo fitenenana. Avy nibodo ny toerana ireo mpivarotra dia nilaza fa hiala hono amin’ny 4 janoary rehefa vita ny tsenan’ny Noely. Tonga io fe-potoana io, hanambara indray ny madinika fa avelao amin’ny Paska vao hiala fa asa fivelomana izy ity. Avy eo hidongy eo hatramin’ny fetim-pirenena. Mankalaza ny faha-50 taona nahazoana ny fahaleovantena ve isika dia hifanilika ê! Vokany, tsy hiala eo mandrakizay ary hitombo isan’andro ny isan’ireo mpivarotra tsy ara-dalàna. Aoka tsy himenomenona isika fa mitohana ny fifamoivoizana satria to ny nofin’ny madinika. Mazotoa miantsena ao anaty korontana!
 

 

Vonjy Andrianjaka

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com