Resin`ny Zambianina tamin`ny isa mavesatra 4 noho 0 ny Barea de Madagascar, sokajy zandriny teo amin`ny lalao manasa-dalana, fiadiana ny Cosafa U-20. Fihaonana notontosaina, omaly tao amin`ny kianja Eldorado park Afrika atsimo. Niavaka tsara ny taktika nentin`ny ekipa roa tonta nilalao. Ny Malagasy nampiasa tolotra akaiky sy haingana toy izay efa fanaony, notarihin`i Baggio sy Liva. Ny zambianina kosa izay lava sy ranjanana dia nanao tolotra lava hifanenjehana. Ny Barea no nifehy ny lalao teo amin’ny fizaram-potoana voalohany. Betsaka ny baolina tokony ho tafiditra saingy tsy hain`ireo lohalaharana, Tony sy Ibrahim ny namarana azy. Ry zareo Zambianina indray no nahatafiditra ny baolina voalohany teo amin`ny minitra faha-27. Niezaka nanafika ihany ny Malagasy ary saika nahasahala ny isa i Tony saingy nanitsy an`i Joshua, mpiandry tsatokazo zambianina. Io isa 1 noho 0 io no nentin`ny roa tonta niala sasatra.
Teo amin`ny fizaram-potoana faharoa, nanova paikady ny mpanazatra Malagasy. Sahirana ny vodilaharana zambianina nefa tsy mbola tao ihany ny famonoam-baolina. Minitra faha-75, nanafika ny zambianina, ka matin`i Chileshe. 2 noho 0. Nanimba ny môralin`ny mpilalaon`ny Barea io trangan-javatra io ary niteraka fikorontanana teo amin`ny fandrindrana ny lalao. Nihena 10 ny Barea 8 mn tsy hiravana satria nahazo karatra mavo indroa i Olivier. Tao anatin`ny 5 mn farany no nahafatesan`ny Zambianina ireo baolina roa, izay nampidirin`i Stanley sy Felix. Marihna fa nisy fitongilalana kely ny fitsaran`i Nhleko Simanga, ny lalao. Hiady ny famaranana i Zambia i Afrika Atsimo izay nanilika an`i Botsoana, tamin`ny isa 3 noho 0. Omen’ny fanjakana dimy tapitrisa Ariary ny Malagasy noho izy tafakatra teo amin’ny manasa-dalana.
Tompondaka
(Iraka manokana aty Johannesbourg)