|
 |
KOLONTSAINA |
|
|
120 taona ny katedraly Mandeha ny fanavaozana
|
|
Nisokatra omaly ny fankalazana ny jobily faha-120 taona ny katedraly katolika Andohalo amin’ny maha trano vato azy, izay renin’ny fiangonana eto amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo. Ny taona 1861, efa nisy trano hazo naorin’ny Mompera Joken … Nandeha ny tantara, ny 8 mey 1873 nalatsaka ny vato fehizoron’ny Eglizy notarihin’ny Monsenera Cazet. Ny 18 desambra 1890, fitokanana tamin’ny fomba nanetriketrika ny katedraly, ho voninahatr’Andriamanitra irery ihany, ka nanatrika izany ny mpanjaka Ranavalona III notronin’ireo tandapany. «Tahaka ny nanirahan’ny Ray ahy no anirahako anareo koa» no teny faneva nentina nankalazana ny jobily, ka nifantoka tamin’izany ny toriteny nataon’ny Arsevekan’Antananarivo, Odon M.A Razanakolona. «Iraka ny fiangonana ka irahina toy izany koa, manerana an’i Madagasikara rehetra ny kristianina hiahy ireo tsy manana sy mahantra, hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny eto amin’ny firenena», hoy ny Arsevekan’Antananarivo, Odon M.A Razanakolona. Amin’izao fotoana izao, misy ny asa fanavaozana ny fiangonana, izay lova napetrak’ireo ray aman-dreny. Koa mandray anjara amin’izany asa fanavaozana izany ny fanjakana, ny minisiteran’ny vola sy ny tetibola, ny minisiteran’ny kolontsaina, ny kaominina Antananarivo renivohitra. Nisaorana manokana tamin’ny fandraisana anjara ny Filohan’ny tetezamita, Andry Nirina Rajoelina sady nanatrika ny fotoam-pivavahana sy ireo kristianina marobe tsara sitra-po vonona ny hikajy izany lova izany.
R. Mathieu
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|