www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 18/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.917.07 Ar
USD2.120.08 Ar
GBP3.252.73 Ar
CHF2.012.42 Ar
JPY23.41 Ar
ZAR290.54 Ar
HKD273.14 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 18/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX D’OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
FIARAHAMONINA
Fiangonana etsy Ampefiloha
 
Naneho ny momba azy

        Nampahafantarina ny besinimaro ary ireo manam-pahefana tamin’ny fomba ôfisialy, ny asabotsy teo, ilay Fiangonan’i Jesoa Kristy ho an’ny olomasin’ny andro farany izay mijoro etsy Ampefiloha Andavamamba. Ireo mpino manaraka ny fampianaran’ny bokin’ny Mormona no no tonga miangona amin’ity fiangonana ity. Ankoatra ny fivavahana, manana sampan’asa miandraikitra ny asa sosialy hanampiana ireo niaram-boina sy asa tetiarana fanangonana ny anaran’ireo efa nodimandry ahafahana mitondra am-bavaka azy ireo ny fiangonana. Eo koa ireo misionera manao asa fitoriana ny filazantsara mivezivezy manerana ny tanàna. Ankoatra izay ny sampanasa miandraikitra ny fandikan-teny sy ny fampianarana Soratra Masina ary fanamorana ny fitantanana amin’ny ankapobeny.
 
Mahatratra 98 ireo tanora vahiny 16 ka hatramin’ny 26 taona mitory Filazantsara eto amintsika. 35 ireo Malagasy manao izany izay miparitaka amin’ny firenena maro.
 
Efa misy paroasy 14 eto Antananarivo, ahitana sampan’ny fiangonana ihany koa any amin’ny Faritra toa an’Antsirabe, Mahajanga, Toamasina, Manandona… Mampiavaka ity antokom-pinoana ity amin’ny hafa ny fananany mpaminany velona dia i Thomas S.Monson sy mpanolotsaina roa ary apostoly 12.
 

 

Tsilo

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com