|
 |
POLITIKA |
|
|
Fitandroana ny fahamarinana Miantoka ny fahombiazan’ny fampandrosoana
|
|
<b> Anisan’ny miantoka ny fahombiazana amin’ny asa fampandrosoana ny fitandroana ny fahamarinana. Nisongadina izany tamin’ny famelabelaran-kevitra nataon’ny Komity ho amin’ny fitandroana ny fahamarinana (Csi). Nanao atrikasa toy ny isan-taona ny firaisamonina sivily, Justice et Paix, tao Ihosy, Faritra Ihorombe, tamin’ny 2 sy 3 desambra lasa teo. Nandray anjara tamin’izany ny solontenan’ny mpitandro filaminana, ny avy amin’ny fitsarana, sns. Miantoka ny fahombiazan’ny fampandrosoana ny fitandroana fahamarinana, araka ny fanazavan’Atoa Franck Razafindrabe, sekretera mpanatanteraka mpisolo toerana, eo anivon’ny Csi. Fomba fiasa amin’ny fitandroana ny fahamarinana ny fametrahana ny fanjakana tsara tantana : fanaovana tatitra sy fampahafantarana ny vahoaka izay vokatry ny asa atao, fampiharana ny mangarahara, fanatanterahana asa nefa tsy mandanilany foana, fahaiza-manaraka ny fiovaovan’ny tontolo ankapobeny hamaliana ny filàn’ny firenena, fitsinjovana lavitra sy faminavinana izay mety hitranga, ary fampiharana tsy mitongilana ny lalàna
Andrin’ny fahamarinana Misy 12 ireo itazonana ny fahamarinana ho amin’ny fampandrosoana : ny fahefana mpanao lalàna na ny Antenimiera roa tonta, ny fahefana mpanatanteraka, ny mpitsara sy ny mpanao famotorana, ny rafitra mpanara-maso, ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly (Bianco), ny Mediatiora, ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena (mpamatsy vola, mpanampy ara-teknika... ), ny mpampahalala vaovao, ny antoko politika, ny raiamandreny ara-panahy sy ara-moraly, ny sehatra tsy miankina, ny firaisamonina sivily. Samy manana ny sehatra misy azy sy ny asany avy ireo andry 12 ireo, nefa tokony hiara-miasa sy mifameno amin’ny fitandroana ny fahamarinana. Manampy ireo andry hisian’ny tontolo hahombiazana amin’ny fanatanterahan’izy ireo ny asany avy amin’ny fitandroana ny fahamarinana no ataon’ny Csi. Ny mari-pandrefesana amin’izany dia ny firosoan’ ny andry tsirairay avy mankamin’ny fahamarinana, fa tsy ny fisian’ny fahamarinana tanteraka avy hatrany amin’ny sehatra misy azy. Tsy amin’izao foton-tsarotra lalovan’ny firenena izao ve no tena ilàna ny fitandroana ny fahamarinana, miainga amin’ny hoe fanjakana tsara tantana ?
R. Nd.
Sarotra faritana ny marina Tsy mora tadiavana sy sarotra faritana ny hoe marina, satria mety miovaova arakaraka ny fari-toe-javatra : ny toerana sy ny fotoana, ny olona, ny zava-kendrena... Tsy izay lazain’ny lalàna no atao hoe marina avy hatrany, satria misy lalàna tsy mifanaraka amin’ny atao hoe hitsiny sy ny rariny. Ilaina ny fandanjalanjana ny ara-dalàna sy ny rariny ary ny hitsiny amin’ny fitadiavana sy fampiharana ny marina. Mety ho ara-dalàna, ohatra, ny fananan’ny olona iray ny tany iray amina hektara maro noho ny fananany titra mazava, saingy mety tsy ara-drariny na ara-kitsiny izany amin’ny fokonolona na olona maro nanajary sy nanamainty molaly ary nifandova ny tany nandritra ny ampolo taona maro nefa tsy manana taratasy amin’izany.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|