www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 13/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.925.04 Ar
USD2.137.06 Ar
GBP3.239.57 Ar
CHF2.016.67 Ar
JPY23.64 Ar
ZAR288.79 Ar
HKD275.44 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 13/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX DU MOUSSON SUR LE TIERS NORD, DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD AILLEURS

Voir le détail
KOLONTSAINA
FOTOTRA
 
Ny fahavelomana teo amin’ny Malagasy (Tohiny)

        Nambarantsika tamin’ny famakafakana farany teo àry fa manan-kasina lehibe teo amin’ny Malagasy ny fahavelomana na ny aina. Noho izay fahamboniany izay, sarotra ho an’ny Malagasy ny nandatsak’aina, indrindra fa ny ain’olombelona. Voarakitry ny tantara aza fa na ny hamono akoho aza, fahiny fahagola, narahim-bavaka sy fialan-tsiny noho ny fahalalana fa tsy tompon’ny aina isika.
 

 

Tsy noleferina


 
Na manana izay toerana izay aza ny aina teo amin’ny Malagasy, nisy ihany ireo heloka na hadisoana tsy noleferina mihitsy fa tsy maintsy namoizana ny ain-dehibe ny nanaovana azy ireny. Tsy neken’ny fiarahamonina malagasy mihitsy ny mosavy sy ny vorika. Raha sanatria ka misy ny tratra manao ireo, manefa ny aina satria efa vonona ny handatsaka ny aina hafa izy ireny. Tsy nahazo nampidirina am-pasana fa nalevina ivelan’ny tanàna. Raha sendra manakaiky lalana moa dia vao mainka narahin-datsan’ny mpiaramonina: “Mpamosavy milevina amoron-dalana, mahatantesa valin-kitsaka”. Toy izany koa ny miaka-dapa. Tsy ny vohitra misy ny vahoaka eto no hiakaran’ny fahavalo fa efa ny Lapa itoeran’ny mpanjaka sy ny mpiara-miasa aminy akaiky. Tsy neken’ny fifampifehezana fahiny koa io ka matetika notapahin-doha izay tratra nanao izany. Marihina fa vanim-potoana talohan’ny fanjanahantany ity resahintsika ity.
 

 

Vintana


 
Tsy afaka teo amin’ny tantaran’ny fomba amam-panao malagasy koa ny fisian’ny vintana… Koa na ambony sy lehibe tahaka inona aza ny fananana aina, rehefa ilaina ny mandatsaka azy (manala, mamono ny aina), noho ny fitsinjovana ny hoavy sy ny fiainam-piarahamonina ary ny rafi-pitondrana nisy, dia nataony izany. Natahorana hanoto ray aman-dreny, hanongam-panjakana, ohatra, ireo zaza teraka alakaosy ka natao izay hahafaty azy. Napetraka teo am-bavahadin’ny fahitr’omby na nahohoka anaty sahafa misy rano mangotraka avy nitenehana sakamalaho, sns.
 

 

Fehiny


 
Nentintsika teto tao anatin’ny famakafakana teo aloha sy ny androany fa nanan-kasina ambony teo amin’ny Malagasy ny fahavelomana. Tsy takon’afenina koa fa rehefa tojo izay heveriny fa tsy azo anoarana izy, tsy maintsy nandatsak’aina ihany. Na izany aza, saika noho ny fitsinjovana ny ain’ny maro no nanatanterahany izany.
 

 

HaRy Razafindrakoto

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com