|
 |
FIARAHAMONINA |
|
|
Sakafo lany andro Mitobaka eny an-tsena
|
|
Mifarana ny taona, betsaka ihany koa ireo karazan’entana efa lany andro, indrindra ny sakafo izay mitobaka eny an-tsena. Ireo sakafo ambifotsy toy ny sardina, katsaka, maionezy, saosisy, no ankamaroan’izy ireo. Eo indrindra koa ireo tsakitsaky isan-karazany toy ny ovy voaendy sy voavoatra anaty boaty, ireo sôkôla, bisky samihafa, vatomamy, paty, menaka, fromazy, dibera, zava-pisotro. Ankoatr’izay ireo entana fampiasa andavanandro toy ny savony, paty fiborisiana nify, ireo mena-bolo sy ny fanosotra amin’ny vatana. Samy ahitana azy ireny avokoa na ny eny amoron-dalana na ny eny amin’ireo magazay lehibe. Misy amin’ireo sakafo ireo no efa lany andro ka nokikisana ireo daty famantarana. Ao koa anefa ireo sakafo madiva ho lany andro ka hanaovan’ireo tsenam-barotra lehibe fihenam-bidy. Ifandrombahana ireo sakafo madiva ho lany andro ireo kanefa tokony ho mailo ny tsirairay amin’ny voka-dratsy ara-pahasalamana mety haterak’izy ireny. Mivadika ho poizina mantsy ireny sakafo lany andro ireny ary izay no antony nametrahana ny fetr’andro farany azo ihinanana azy ireny. Mandavan-taona mihitsy no manao ezaka ny tompon’andraikitra eo anivon’ny sampandraharaha misahana ny sakafo ao amin’ny minisiteran’ny fahasalamana. Manara-maso ireo entana amidy tsy ara-dalàna izy ireo. Tsy ny sakafo vita avy any ivelany ihany fa na ireo avy eto an-toerana aza araha-maso avokoa. Toraka izany koa ny sakafo masaka izay amidy amoron-dalana satria mety hanapoizina ny mpiara-belona izy ireny.
Tatiana
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|