www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 19/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.904.36 Ar
USD2.124.66 Ar
GBP3.242.87 Ar
CHF2.006.57 Ar
JPY23.54 Ar
ZAR290.64 Ar
HKD273.77 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 19/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX VARIABLE FAIBLE SUR MADAGASCAR

Voir le détail
TOEKARENA-FIHARIANA
Letisia
 
Vao ny ampahatelon’ny vokatra no notazana

        Hatramin’ny faran’ny herinandro teo, vao ny ampahatelon’ny vokatra letisia no notazana, araka ny nambaran’ny mpanangom-bokatra sy ny tantsaha any amin’ny Faritra Atsinanana. Izany hoe, betsaka ny vokatra saingy ny hamarotana azy no misy olana. Mikasika izay indrindra, nambaran’ny mpandraharaha mpanondrana sasany fa, noho ny antony tsy fantatra, naaton’ny tompon’andraikitra ny fanondranan’izy ireo kanefa misy mpandraharaha hafa mbola afaka manohy izany. Etsy ankilan’izay anefa, “mbola an-jatony ny kaontenera miandry vokatra haondrana ary betsaka ny mpandray letisia manafatra aminay any ivelany any”, araka ny nambaran’ireto mpandraharaha ireto ihany. Raha tsiahivina, efa nilaza ny mpanondrana letisia fa hihena 19.000 t ny vokatra haondran’i Madagasikara amin’ity taom-piotazana ity raha manodidina ny 24.000 tamin’ny taon-dasa. Manampy izany, ratsy sady tara ny vokatra tamin’ity noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana.
 
Na izany na tsy izany, anisan’ny mitondra faisana amin’izao fotoana izao ny mpanangom-bokatra sy ny mpitatitra ary ny tantsaha. Noho ny tsy fahafahan’ireo mpandraharaha sasany nanondrana intsony, tsy nisy mpandray ny vokatra avy amin’ny mpanangona. Tsy nanampo izany ireto farany, hany ka matiantoka ary betsaka no tsy nahaloa ny saram-pitaterana sy ny vidin-tsolika. Ho an’ny tantsaha, tsy misy mpandray intsony ny vokatra afa-tsy ireo hivarotra eto an-toerana ihany izay tsy mahalany betsaka.
 

 

Sajo sy Landy R.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com