Lalao V 101 Orange Lasan’i R. Noëline ny scooter
|
|
Mandritra ny taona ny fety, ho an’ny Orange, fa tsy amin’ny vanim-potoana manokana, tahaka izao ankatoky ny Krismasy sy ny taom-baovao izao ihany. Porofon’izany, mpanjifa 3 tsara vintana no notolorana ny loka tamin’ny lalao V 101 nokarakarain’ny Orange, ny asabotsy teo, tetsy Andraharo. Rtoa R. Noëline, avy any Betanimena no nibata ny loka lehibe, môtô scooter Lifan 125 cc. Désiré Razafimandranto avy etsy Mahamasina kosa no nahazo ny televiziona Lcd Philips, ary Jean Félix Rakotoarimanana, avy any Morondava notolorana telefaonina finday Huawei. Tonga nanatrika ny fisarihana ireo tompon’andraikitra vitsivitsy avy amin’ny Huawei, mpanohana ny lalao. Voalaza fa mbola hitohy amin’ny alalan’ny “promotion”-na telefaonina vaovao hafa ny lalao tahaka izao.
M.R.
|
 |
|
|