www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 19/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.904.36 Ar
USD2.124.66 Ar
GBP3.242.87 Ar
CHF2.006.57 Ar
JPY23.54 Ar
ZAR290.64 Ar
HKD273.77 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 19/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX VARIABLE FAIBLE SUR MADAGASCAR

Voir le détail
TANTARA MITOHY
RENIALA SY ILAY MAINGOKA
 

Nosoratan-dRinason – Alys



        Asabotsy hariva. Nandeha irery aho fa tsy naka azy teny an-tranony. Ary dia niditra tao amin’ny «boîte de nuit» anankiray. Tanora lahy sy vavy daholo no tato amin’ity trano filalaovana ity. Ny fofona tsy fofona intsony. Mifangaro daholo ny fofon-tsigara, fofon-drongony, fohin’ireo mpidoroka, ny fofon-kelika ary ny fofona maro samihafa. Saika nihoaka aho. Tanora mba te hahita zavatra aho, ka dia nihafiako ihany. Miherikerika eran’ny trano aho, sao dia mba misy fantatro. Kanjo, nisy nikapoka ahy teo amin’ny soroko. Niherika aho.
 
- Azafady Rina, misy olona mitady anao, raha afaka hiaraka amiko ho any amin’io olona io ianao ?
 
- Lavitra izy izany sa aiza ? Ary iza no anarany ?
 
- Ato amin’ity toerana ity ihany. Ho hitanao izy, dia hofantatrao.
 
Namakivaky teo amin’ireo tanora marobe dia nanontany tena aho hoe : mba voafehin’ny ray aman-dreniny ihany ve ireto tanora ireto ? Indrindra ireto tovovavy ? Samy manana ny fomba fitaizana ny zanany ny olona tsirairay. Tsy anomezan-tsiny na iza na iza izany. Tonga eo anatrehan’ilay olona mitady ahy aho.
 
- Rina a ! Sady nikakakaka nihomehy izy. Ise, ela leitsy izay nitadiavako an-dry izay. Izao vao mifanatri-tava amin’ialahy. Feom-behivavy no henoko.
 
- Azafady, hoy aho, ianao efa mahalala ahy, fa izaho kosa tsy mahafantatra anao. Esory ny sarontavanao dia hifampiresaka tsara isika.
 
- Hanala ny sarontavako hoe ? Tsy ilaina aloha izany amin’izao fotoana izao. Fantatr’ialahy tsara aho. Ny anarako no holazaiko an’ialahy. Reniala, no anarako. Solon’anarako io fa tsy tena anarako. Mahery ny olona mitondra io anarana io. Aza misangy aminy. Tsy leon’ialahy io.
 
- Eny ary. Ka inona ny antony lehibe itadiavanao ahy. Ny andro efa mandroso alina. Tsy manam-potoana be loatra ifampiresahana aminao aho.
 
- Izaho, akia, Rina, manana fifandraisana be dia be amin’olona any ivelany. Mampiditra entana eto Madagasikara aho. Dia mivarotra izany entana izany eto ihany. Mpaninjara, nefa mivarotra ambongadiny. Aza dia sembasembanin’ise ny aferako. «Business» io. Dia hifampitsimbina isika roa. Ary mety hifanambady mihitsy aza isika. Tsy ho ory vola isika amin’izay.
 

 

(Hitohy)
 
* Nahazoana alalana manokana ny famoahana ny tantara.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com