|
 |
FANATANJAHANTENA |
|
|
Fast and Furious II Hasiana fifaninanana nasionaly
|
|
Tontosa omaly, tetsy amin’ny Marais-Masay ny andiany faharoan’ny hetsika ara-mekanika (scooter, moto ary fiara) «Fast and Furious». Nahasarika olona maro toy ny tamin’ny andiany voalohany ny fifaninanana. Nanambara ny fahafam-pony ny Madavision sy ny Telma, mpikarakara ny hetsika tamin’ity andiany ity. «Tratra ny fanamby napetrakay. Tsy nisy tomika na lesoka tamin’ity andiany faharoa ity. Ny fanatsarana ny andiany voalohany mantsy no natao ka tratra izany», hoy i Eric Dewa, tompon’andraikitra ao amin’ny Madavision. Tanjon-dry zareo mpikarakara kosa amin’ny taom-pilalaovana 2010 ny hampisy ny fifaninanana nasionaly eo amin’ny hetsika. Nambaran’ny tompon’andraikitra, fa hasiana fifaninanana amin’izay isaky ny Faritany amin’ny taona ho avy. Hoezahina ho efatra isan-taona kosa ny fifaninanana ka isan-telo volana no hanatanterahana izany. Ankoatra izay, nahatratra 40 ireo mpifaninana nandray anjara tamin’iny andiany faharoan’ny hetsika iny.
Miary Narindra
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|