|
 |
FANATANJAHANTENA |
|
|
Boxe – Mada 2009 Misafotofoto ny fifaninanana
|
|
Na dia nahatonga korontana aza ny katrok’adin’i Yves Razanakolona (Cosfa) sy Famerena Auguste (Menabe), teo amin’ny 54 kg, nandritra ny andro fahatelon’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja ady totohondry, sokajy «cadet» sy «séniors», mitohy hatrany ny hetsika. Saingy, mbola misafotofoto be ihany satria misy sasantsasany amin’ireo ligy 11 no mankasitraka ny zavatra nataon’i Menabe amin’ny fikasana ny hanimbana ny fiadiana ny tompondaka nasionaly. Araka ny voalazan’ireo mpitsara mantsy, i Yves no tafavoaka mpandresy izay tsy neken-dry zareo avy any Menabe velively. Noho izay antony izay, voatery omaly alahady, tokony hizoran’ireo famaranana rehetra, no nanatontosana ny manasa-dalana. Na izany aza anefa, saika ireo mpikatroka avy amin’ny ligin’Analamanga no manjaka sy tafakatra amin’ny famaranana. Anio no hizoran’ ireo famaranana isan-tsokajy. Ankoatra izay, amin’ny taona ho avy no hanatanterahan’ny federasiona (Fmbo) ny fivoriambeny fanao isan-taona.
Miary Narindra
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|