|
 |
FANATANJAHANTENA |
|
|
Rugby Hampiantranoan’i Madagasikara ny Can 2010
|
|
Vaovao lehibe eo amin’ny tontolon’ny rugby malagasy. Araka ny tapaka nandritra ny fivoriamben’ny federasiona iraisam-pirenen’ny taranja rugby (Irb), ny 29 novambra – 1 desambra teo, tany Dublin, Irlande, i Madagasikara no voatondro hampiantrano ny lalao famaranan’ny fiadiana ny amboaran’i Afrika (Can), taona 2010. Marihina fa ny sekretera jeneralin’ny federasiona malagasy (Fmr) no nisolo tena antsika tamin’io fivoriambe io. Noho ny vokatra azontsika hatramin’ izay taty Afrika, izay saika tsara hatrany, no nahatonga ny safidin’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny fanatanterahana ny lalao famaranan’ny Can ho eto amintsika. Tsy izay ihany, fa eto Madagasikara ihany koa no hanaovana ny fivoriambe sady fifidianana na ny AGE eo anivon’ny kaonfederasiona afrikanin’ny rugby (Car), ny taona 2010. Tapaka nandritra io fivoriambe tany Dublin io koa fa hasiana ivotoeram-piofanana avo lenta eto amintsika, aorian’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany 2011. Ireo teknisianin’ny Irb ihany no hitantana izany. Araka ny vaovao voaangona, hanampy antsika amin’ny lafiny rehetra ho amin’ny fampandrosoana ny rugby malagasy i France.
Miary Narindra
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|