|
 |
KOLONTSAINA |
|
|
Randrianasolo Raymond Androany ny fandevenana
|
|
<b> Banga iray indray ny tontolon’ny zavakanto malagasy. Nodimandry teo amin’ny faha-77 taonany Randrianasolo Raymond, nitana anjara toerana goavana teo amin’ny tontolon’ny vakodrazana, serasera, sns. Misaona ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy. Nodimandry ny alin’ny zoma 4 desambra teo, tamin’ny 7 ora sy sasany, Randrianasolo Raymond, andrarezin’ny vakodrazana malagasy. Raha ny fanazavana azo teo anivon’ny fianakaviany, aretin’ny fo sy prostaty no nahazo azy. Mpanakanto manana talenta feno Randrianasolo Raymond. Taranjan-javakanto maro no nanavanana sy voafehiny tsara. Anisan’ireny ny dihy, fitendrena zavamaneno, famoronan-kira, fikabariana, fanoratana tantara an-tsehatra, sns. Misaona ihany koa ny tontolon’ny haino aman-jery satria nitana anjara toerana lehibe teo amin’ny fanentanana sy famokarana fandaharana tao amin’ny Radiom-pirenena Malagasy (Rnm) Randrianasolo Raymond. Anisan’ireny ny “Dinidinika ambany tafontrano” izay nanjary “Vavahady” taty aoriana. Tao no nanazavany ny hevitry ny ohabolana samihafa. Tia mandalina sy mamakafaka ny fomba amam-pahendrena malagasy rahateo izy.
Namela mamy Tarika sy firenena maro no efa nahita sy nametrahan-dRandrianasolo Raymond ny talentany. Mpandihy sy mpively amponga izy tao amin’ny tarika Ramampiherika. Raha mbola kely i Sahondrafinina (taona 1960 ~ 1961), Randrianasolo Raymond no nitondra ny tarika. Avy eo, tao anatin’ny tarika Odéam Rakoto. Nanangana ny tarika Randrianasolo Raymond tany amin’ny taona 1975. Nanakoako sy nankafizin’ny olona maro ny “Soa fa hitako”, “Sosay moramora”, “E! Raopilanina iry”, … Maro be ny firenena nanehoany ny talentany. Anisan’ireny i Frantsa, Japon, Alemainina, sns. Filoha lefitry ny Fikambanan’ny mpanao vakodrazana malagasy (Fimpavama) izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Manana ny mari-boninahi-pirenena “Chevalier”, “Officier”, “Commandeur” ary «Grand Commandeur de l’Ordre National Malagasy», Randrianasolo Raymond. Raha ny fandaharam-potoana, anio amin’ny 11 ora sy sasany no hotolorana ny «Grand Croix de 2ème classe» etsy amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina izy. Aorian’izay no hanatanterahana ny fandevenana eny Tangaina Ampitatafika. Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny tontolon’ny kanto malagasy izahay eto amin’ny Gazety Taratra.
HaRy Razafindrakoto
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|