|
 |
POLITIKA |
|
|
Andry Rajoelina « Tsy Rajoelina no nampilefa an-dRatsiraka »
|
|
Namaly ny tenin’ny Amiraly ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina, nandritra ny diany tany amin’ny Faritra Analanjirofo, ny faran’ny herinandro teo. Nambarany fa mahagaga ny fiarahan’ny Amiraly amin’Atoa Ravalomanana sy ny fanenjehany azy. «Tsy Rajoelina no nampilefa an-dRatsiraka tany andafy ka tsy ekena raha toy izao no foto-pisainana», hoy izy. Tsiahivina fa anisan’ny nanome vahana ny Amiraly ny nanakatonan’ny fitondrana Ravalomanana ny fampitam-baovaon’ny Filohan’ny tetezamita tamin’ny herintaona, noho ny nandefasana ny sariny sy ny feony tao Ambodivona. Nivantana ny filazan’i Andry Rajoelina fa nametraka lova «fahantrana sy fitiavan-tena ireo efa nifandimby nitondra». «Tsy ry zareo tsy nahomby no hametraka didy eto fa tsinjovy ny vahoaka», hoy izy. Naverin’ny Filohan’ny tetezamita tamin’io dia io tamin’ny kaominina koa ireo tany nalain’ny mpitondra teo aloha, ankoatra ny fizarana ny Fdl ho an’ireo kaominina tao Analanjirofo.
Nangonin’i Zo. Ra.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|