|
 |
POLITIKA |
|
|
Maputo III Tafatsangana ny governemanta
|
|
<b> Tafatsangana ny governemanta, araka ny fampitam-baovao avy any Maputo. Hiverina an-tanindrazana anio ny delegasionan’ny telo tonta... Araka ny fampitam-baovao, tafatsangana, omaly alina tamin’ny fihaonan’ireo lehiben’ny ankolafy telo : Zafy sy Ratsiraka ary Ravalomanana niaraka tamin’ny Praiminisitra Mangalaza ny governemantan’ny firaisam-pirenena. Marihina anefa, fa mbola ao anatin’ny dinika izy ireo tamin’ny fotoana nanoratanay alina ka andrasana ny fanampim-baovao sy ny antsipiriany amin’ny fahatongavan’ireo delegasiona eny Ivato anio. «Tsapa ho henjana ny asa sy ny dinika niarahan’ireo lehiben’ny ankolafy. Anisan’ny nodinihana ny fandaminana ny fomba ahazoana mametraka olona amin’ireo rafitra ho tohin’ny dinika fanombohana natao niarahan’ny ankolafy taty Madagasikara. Ilana ny fanatrehahan’ny Amiraly Ratsiraka sy Ravalomanana anefa izany ary nihainoana ny hevitr’izy ireo ka nirosoana tamin’ity Maputo III ity. Efa hita soritra ny fitsinjarana ny toerana eo anivon’ny Andrimpanjakana rehetra», araka ny loharanom-baovao. Voalaza fa ireo ho mpikambana eo anivon’ny kongresy indray no nirosoana taorian’ny fahavitan’ny fananganana ny governemanta. Niaiky koa anefa ireo ankolafy telo, fa tokony ho nandray anjara ny ankolafy Rajoelina ary mbola nandrasana ny fahatsiarovan-tenan’izy ireo mba ho avy hatramin’ny omaly hariva saingy tsy tonga.
Olana amin’ny minisitera Ankoatra ny ho mpikambana eo anivon’ny governemanta, tsy mbola nanolotra na nanana olona ho eo amin’ny toeran’ny Praiminisitra lefitra sy ny filohan’ny filankevitra ambony (Cst) ny ankolafy Rajoelina. Na eo aza izany, araka ny fampitam-baovao no nahalalana fa nifandray tamin’ny mpanelanelana (Gic) ihany ny avy amin’ny ankolafy Rajoelina. «Misy ny voan-dalana ho an’ny malagasy. Nivaha ireny olana amin’ny minisitera ireny. Ho avy ny Agoa sy ny famatsiam-bolan’ny Vondrona Eoropeanina amin’ny herinandro ambony», hoy Tabera Randriamanantsoa anisan’ireo any Maputo, nanamafy izany tamin’ny haino aman-jery tsy miankina iray, omaly. Andrasana ny valin-kafatra sy ny ho fankatoavan’i Andry Rajoelina izany governemanta izany.
Nangonin’i Synèse R.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|