|
 |
TOEKARENA-FIHARIANA |
|
|
Sina 400 miliara euro hiatrehana ny krizy
|
|
Fitomboana ara-toekarena 8% amin’ity taona ity! Firenena matanjaka ara-toekarena fahatelo eran-tany i Sina. Tsy niantraika firy tany aminy anefa ny krizy ara-bola eran-tany, izay anisan’ny tena nidona mafy tany Etazonia sy Eoropa. Nivory tamin’ny sabotsy sy alahady teo ny mpitondra fanjakana an-tampony sinoa, toa ny Filoha Hu Jiantao sy ny Praiminisitra Wen Jiabao. Tsy nisy nipika ny fivoriana, fa anisan’ny tsy maintsy nodinihina ny laharam-pahamehana ara-toekarena amin’ny taona 2010. Marihina fa 400 miliara euros no natokan’ny fitondrana sinoa tamin’ny taona 2007 hiatrehana ny krizy ara-bola eran-tany. Tsy mbola tena mari-toerana anefa ny toekarena sinoa, na dia tsy mitsaha mitombo aza ireo mpandraharaha tandrefana mampiasa vola any an-toerana. Miankina amin’ny fanondranan’entana any ivelany sy ny fanjifana anatiny no tena mampiroborobo ny toekarena sinoa.
Njaka A.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|