|
 |
TOEKARENA-FIHARIANA |
|
|
Madamobil- Life Ny fanjakana no andrasana
|
|
Efa tokony hiasa ny orinasa Madamobil, mpandraharaha fahefatra amin’ny fifandraisan-davitra sy ny finday. Saingy tsy mbola nivaha ny olana, satria tadiavin’ny fanjakana haloan’ity orinasa ity ny trosa tsy voaloan’ny Telecel, nividianan’ny Madamobil ny fahazoan-dalana. Tsy mbola nahenoam-peo ny fanjakana na ny minisitry ny fifandraisan-davitra hatramin’izao. Fampiasam-bola vahiny (Ide) ny Madamobil. Tratry ny sakana ara-taratasy ataon’ny fanjakana toy izao koa ny mpamokatra labiera «Skol», vokarin’ny orinasa Nouvelle Brasserie de Madagascar (Nbm) any Ambatolampy. Na inona na inona ho tohin’ny raharaha, tsy maintsy hiantraika eo amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara eo anatrehan’ny vahiny ireo tranga roa ireo. Marina fa misy ny lalàna mifehy sy miaro ny fampiasam-bola vahiny, saingy na ny Banky Iraisam-pirenena aza mahatsapa fa marefo ny fampiasam-bola aty Afrika sy Madagasikara, satria tsy ampy ny arofanina. Ao anatin’izany, ny fanjakana tsy mari-toerana, toy ny miseho eto amintsika, ka ny vahiny te hampiasa vola aza misalasala.
Njaka A.
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|