|
 |
TOEKARENA-FIHARIANA |
|
|
Potika ny fihariana Mihamafy ny krizy
|
|
Tsy misy mangirana mihitsy ! Tsy fantatra intsony ny hitohizan’ny fihariana eto amin’ny firenena. Madiva hifarana ny taona, nefa ny tetibola hoenti-kiasa amin’ny taona 2010 tsy mbola voarafitra. Nilaza ny minisitry ny tetibola sy ny vola tamin’ny herinandro lasa teo, fa amin’ny alalan’ny didy hitsivolana avy amin’ny Filoham-panjakana no handaniana ny tetibola amin’ny taona ho avy. Ny mahavariana aminy anefa, tsy fantatra mihitsy ny vontoatiny. Raha ny mahazatra, any amin’ny volana aogositra any ho any no hamolavolana azy, ary hampandalovina eny amin’ny antenimieram-pirenena. Ny parlementera no mandinika sy mandany azy, sady mijery izay sehatra tokony ilana fanazavana. Izany hoe, na ny sehatra tsy miankina aza dia tsy hanana anjara hoentina amin’ny fandinihana ny tetibola.
Kely hery ny fanjakana ? Ny fihariana amin’ny ankapobeny anefa tsy mihodina araka ny tokony ho izy. Mitohy ny krizy sôsialy vokatry ny tsy fisian’asa. Porofo mazava ny fikatonan’ny orinasa Prime view Madagascar, notantanin’ny sinoa eny Andranomena, andro vitsy lasa izay, ka nanary mpiasa 1.500 teny an-dalambe. Nanakatom-baravarana koa ny Hotel des Thermes any Antsirabe. Hanamarinana ireo fa mihamafy kokoa ny fiantraikan’ny krizy amin’izao faran’ny taona izao. Ary indrindra ny fihenjanan’ny mpivarotra amoron-dalana tamin’iny herinandro iny koa. Tsy voahaja intsony ny lalàna, ary tsy afa-manoatra sy kely hery ny fanjakana sy ny fitantanan-draharaha. Iaraha-mahita ny firongatry ny asan-jiolahy, izay efa miseho amin’ny atoandrobe nanahary.
Njaka Andriantefiarinesy
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|