www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 15/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.925.04 Ar
USD2.137.06 Ar
GBP3.239.57 Ar
CHF2.016.67 Ar
JPY23.64 Ar
ZAR288.79 Ar
HKD275.44 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 15/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX DU MOUSSON SUR LE TIERS NORD, DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD AILLEURS

Voir le détail
FIARAHAMONINA
Fanehoan-kevitra
 
Nampivoitra ny vokatry ny rivodoza ny ankizy

        Ho fankalazana ny faha-20 taonan’ny fifanarahana mifandraika amin’ny zon’ny ankizy, naseho ampahibemaso ny pikantsary nataon’ny ankizy 20 (9-16 taona) tany Morondava, ny faran’ny herinandro teo. Mampivoitra ny fihetsem-pony, ny zavatra niainany taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Fanele, ny volana janoary 2009 farany teo, tany an-toerana ny vokatra “Maso mahita”. Ny Cisco sy ny Unicef no niara-nanatontosa ny hetsika. Ilaina ny mihaino sy mahita ny hevitry ny ankizy manoloana tranga iray ary ny pikantsary no nanehoany izany. Nisy ireo voatery niala ny tranony noho ny rano niakatra, nampijanona ny fianarany satria rava ny sekoly ka nahatsapa izy ireo fa voatohintohina ny zony.
 
Nampiranty pikantsary novokarin’ny ankizy tahaka izao koa, teto Antananarivo tamin’ny herinandro lasa, tetikasa tafiditra amin’ny hetsika “Eye See”.
 
Ao anatin’ny fotoam-pahavaratra sy ny rivodoza isika ankehitriny ary nanambara ny sampandraharaha misahana ny toetr’andro fa efatra na dimy eo ho eo no handalo eto amintsika amin’ity taona ity. Tsapan’ny tomponandraikitra ao amin’
 
ny Unicef fa marofy ny fahasalamana eto amintsika nandritra ny krizy, indrindra ho an’ireo vondron’olona marefo ary hanampy trotraka ny fandalovan’ny rivodoza. Efa nisy ny antso nataon’izy ireo sy ny mpiray ombon’antoka hafa hitadiavam-bola haingana hividianana ireo tahiry ilaina amin’ny fitaovana, fanafody, trano lay… iatrehana ny voina. Raha tsy vonona ara-potoana ny fanampiana rehetra, olona 600.000 no ahiana ho traha-pahavoazana.
 

 

Nangonin’i Vonjy

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com