www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 15/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.925.04 Ar
USD2.137.06 Ar
GBP3.239.57 Ar
CHF2.016.67 Ar
JPY23.64 Ar
ZAR288.79 Ar
HKD275.44 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 15/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX DU MOUSSON SUR LE TIERS NORD, DOMINANCE D’UN FLUX DU NORD AILLEURS

Voir le détail
SONGADINA
Kolonely Frederick Rakotonandrasana
 
“Handray andraikitra ny Emmo/Reg raha…”

        Hentitra ny fepetra amin’ny fitandroana ny filaminana anio eny Ivato, amin’ny fahatongavan’ireo ankolafy telo avy any Maputo. Nohamafisin’ny kolonely, Rakotonandrasana Frederick fa tsy hiraviravy tanana fa handray andraikitra ny Emmo/Reg raha toa ka misy mpanakorontana ho avy eny an-toerana. Tsy hitsena eny Ivato akory ny Emmo/Reg, anio fa mivonona handray andraikitra avy hatrany raha toa misy mikasa hanakorontana, na hitarika savorovoro mandritra ny fahatongavan’ireo ankolafy telo; Ratsiraka, Ravalomanana sy Zafy Albert avy any Maputo. Izay no nambaran’ny Kolonely Rakotonandrasana Frederick, anisan’ny tompon’andraikitra voalohany eo amin’ny Emmo/Reg, raha nantsoina tamin’ny antso an-tariby izy omaly. Nanamafy ity manamboninahitra ambony ity, fa ny fiantohana ny filaminana no anjara asan’izy ireo ka ho raisina avy hatrany ny fepetra ilaina, na iza na iza mikononkonona fanakorontanana anio. “Ny mpanao politika hahay hiresaka sy hifandamina fa ny vahoaka ampiadiany no mampalahelo, ka tsy maintsy sorohina ny korontana sy ny fifampihantsiana”, hoy ihany izy nanamafy. Efa betsaka ny siosion-dresaka nandeha hatramin’ny nialan’ireto delegasiona notarihin’ny Filoha Ravalomanana, Ratsiraka, Zafy Albert hidinika momba ny fananganana governemanta any Mozambika ireto, ny faran’ny herinandro teo.
 

 
Tsy hilefitra….
 
Etsy ankilan’izay, nisesisesy koa ny fanambarana isan-karazany. Ny mpikambana sasany amin’ny ankolafy Andry Rajoelina, izay nitsipaka ity fandehanana hanao dinika Maputo III ity dia nilaza fa miendrika fanonganam-panjakana no ataon’ireto ankolafy telo ireto ka handray andraikitra izy ireo. Ny Filohan’ny tetezamita, Andry Rajoelina koa nanamafy izany, tamin’ny lahateny hentitra dia hentitra nataony nandritra ny fitsidihana tany Fenoarivo Atsinanana, ny asabotsy teo. “Handray andraikitra aho, raha tsy mifanaraka amin’ny tombontsoam-bahoaka ny fanapahan-kevitra noraisina tany amin’ity firenena afrikanina ity”, hoy izy. Tsy mbola fantatra mazava kosa hatreto ireo andraikitra ho raisina ireo.
 
Miharihary tokoa ankehitriny, ny fihenjanan’ny tady eo amin’ireto ankolafy efatra tokony hiara-hiasa amin’ny fitondrana tetezamita. Andrasana araka izany, ny fahatongavan’ireo delegasiona anio, sy ny ho ankon’izany indray eo amin’ny raharaham-pirenena.
 

 

Henintsoa R.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com