www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 18/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.917.07 Ar
USD2.120.08 Ar
GBP3.252.73 Ar
CHF2.012.42 Ar
JPY23.41 Ar
ZAR290.54 Ar
HKD273.14 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 18/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX D’OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
TRANGA
Vokatry ny orambe
 
Niakatra ny rano, trano roa nirodana

        Mbola haharitra ny orambe mikija eto an-dreniv ohitra sy ny manodidina. Manimba zavatra sahady anefa izany raha vao andro vitsy monja aza. Trano roa no nirodana, teny Besarety sy Ambatomitsangana. Soa ihany mba tsy nisy ny aina nafoy.
 
Nitohitohy hatrany ny orambe teto an-drenivohitra. Niakatra hatrany ny rano amin’ny faritra maro, hatramin’ny renirano aza, toy ny eny Ikopa sy Sisaony. Tsy misy atahorana aloha ny fiakaran’ny rano amin’ireto farany, araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra mpanara-maso azy ireo. Ny rano amin’ny faritra iva kosa anefa tsy mitsaha-miakatra. Trano iray no nirodana vokatr’izany teny Ambodimanga Besarety, ny zoma hifoha asabotsy lasa teo. Vokatry ny orambe mikija no nampivava ilay trano ka nirodana no niafarany. Soa ihany fa tsy nisy ny aina nafoy tamin’izany loza izany. Maromaro koa ny trano mitriatra amin’izao fotoana izao, izay tokony harahin’ny tompony maso akaiky. Amin’ny fotoan’andro maintany tsy misy orana iny no atahorana hipoaka ny trano.
 
Ankoatra izay, tapaka ny ankamaroan’ny lalana eto an-drenivohitra rehefa avy be ny orana. «Tsy mbola nahita tompon’andraikitra nijery akaiky ny momba ireo lalana feno rano sy lakan-drano tsetsina izahay hatramin’izao kanefa fotoana tokony hanaovana izany izao », hoy ny tompona fiara iray eny Besarety. Voamariky ny olona fa mbola tsy nandray andraikitra amin’ny fanadiovana ireo lakandrano na fanamboaran-dalana avy hatrany ny ao amin’ny kaominina. Mety noho ny antony teknika koa anefa no tsy hiasan-dry zareo eo noho eo. Miandry ny orana tsy hirotsaka intsony angamba. Andrasana ny fanazavana.
 

 

Yves S.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com