|
 |
FIARAHAMONINA |
|
|
Ceg Antanimena Feno 50 taona
|
|
Amin’ny fomba makotrokotroka sy hetsika maro no entin’ny Ceg Antanimena hankalazana ny jobily faha-50 taonany. Fantatra izany omaly nandritra ny fihaonana tamin’ireo komitin’ny fankalazana tetsy Antanimena niaraka tamin’ny talen-tsekoly, Georges Fernad. Fananganana tranonkalam-pifandraisana no entin’izy ireo hanamarihana ny jobily. Ankoatra izay, ny fanatsarana ny fotodrafitrasa ao an-toerana, fanampiana ny fitaovana informatika ary ny fananganana toeram-pisakafoan’ny mpianatra. Hatomboka amin’ny 16 desambra ary hifarana ny 20 desambra ho avy izao ny fankalazana, ny 18 desambra kosa ny ivon’ny fankalazana. Hisy fifaninanana ara-panatanjahantena hotanterahin’ny mpianatra amin’izany. Anisan’ny sekoly filamatra hatramin’izay niorenany ny Ceg Antanimena. Efa namoaka olomanga maro izy toy ny manamboninahitra sy mpampianatra mpikaroka eny amin’ny oniversite. Tao anatin’ny 10 taona nisesy, nahitam-bokatra tsara hatrany ny valim-panadinana Bepc raha oharina amin’ireo Ceg 14 eto an-drenivohitra. Maherin’ny 19.000 ireo mpianatra efa nandalo tao amin’ity sekoly ity hatramin’izay niorenany.
Tatiana
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|