www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 9/2/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.915.54 Ar
USD2.114.97 Ar
GBP3.326.21 Ar
CHF1.972.55 Ar
JPY23.63 Ar
ZAR274.90. Ar
HKD272.15 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 9/2/2010

Source:
Les-nouvelles.com

REGIME DE MOUSSON SUR LE TIERS NORD, FLUX DU SUD-EST SUR LE RESTE
Voir le détail
FIARAHAMONINA
Laboratoara misahana ny vokatra atao sakafo
 
Namoaka ny adiresy hanampy ny mpandraharaha

        <b> Mampandroso ny toekarena ny fisian’ny laboratoara misahana ny vokatra avadika ho sakafo satria manome antoka ny kalitaon’ny sakafo amidy ho an’ny mpanjifa. Ho fanampiana ireo mpandraharaha, namoaka boky mirakitra adiresy ny teknisianina amin’ny laboratoara.
 
Navoakan’ny fivondronan’ny laboratoara misahana ny vokatra havadika sakafo eto Madagasikara (Clam) omaly ny boky mirakitra ny adiresy sy ny tsara ho fantatra momba ireo laboratoara misy eto amintsika momba io sehatra io. Fitaovana hanampy ny mpandraharaha ara-toekarena amin’ny fanaraha-maso ny entana vokariny ny laboratoara hanamarina na manara-penitra na tsia, mialoha ny fanondranana izany any ivelany. Andraikitry ny laboratoara 20 miasa ankehitriny koa ny manara-maso sy mitily ireo sakafo miditra avy any ivelany (sy ireo vokatra eto an-toerana) ka amidy eto amin’ny tsena anatiny. Manampy ireo ny fiarovana ny tontolo manodidina amin’ny fitiliana ny rano maloto na ny setroka avoakan’ny orinasa samihafa ireny mba tsy hitarika loza ho an’ny biby sy ny olona.
 
“Mitaky fitaovana sy fotodrafitrasa manara-penitra ny asa sahanin’ny laboratoara, nefa tsy maharaka isika eto Madagasikara. Laboratoara tokana, Institut Pasteur de Madagascar (IPM) irery ihany no mbola manana ny “accréditation” ankatoavin’ny rehetra, hatrany ivelany”, hoy ny filohan’ny Clam, Rabakoarijao Désiré, omaly, teny amin’ny Cite Ambatonakanga. Tanjon’ny fikambanana ny hahazoan’ny laboratoara efa am-perinasa efatra io “accréditation” io hatramin’ny taona 2012. Mitaky ny fahavononan’ny talen’ny laboratoara hampanara-penitra ny asa ataony izany, manomboka amin’ny taona ho avy. Voalohany sady lehibe indrindra amin’izany ny fametrahana sy ny fanarahana ny fenitra Iso 17025 manokana ho an’ny laboratoara. “Izay indrindra no antony hanairan’ny teknisianin’ny laboratoara ny fanjakana satria napetraky ny minisitera avokoa ny ankamaroany, mila mihetsiketsika ny tomponandraikitra raha mba te hifaninana amin’ny IPM”, araka ny fanazavan’ny mpikambana iray ao amin’ny Clam.
 
Amidy 12.000 Ar ny boky misy ny adiresy azon’ny mpandraharaha jerena eny amin’ny Cite Ambatonakanga.
 

 

Vonjy A.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com