www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 9/2/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.915.54 Ar
USD2.114.97 Ar
GBP3.326.21 Ar
CHF1.972.55 Ar
JPY23.63 Ar
ZAR274.90. Ar
HKD272.15 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 9/2/2010

Source:
Les-nouvelles.com

REGIME DE MOUSSON SUR LE TIERS NORD, FLUX DU SUD-EST SUR LE RESTE
Voir le détail
FANATANJAHANTENA
Cyclisme – Tour de Mada
 
11 ny ekipa malagasy hifaninana

        Ekipa malagasy 11 no hifaninana amin’ny « Tour de Mada », taranja hazakazaka am-bisikileta. Mahatratra 66 ny mpihazakazaka mandrafitra ireo ekipa ireo amin’ity andiany faha-6 karakarain’ny federasiona malagasy (Fmc) ity. Ny voalohandohan’ny volana desambra izao no hanatanterahana ny hetsika ka mifototra any amin’iny Faritra Atsimo Andrefana iny indray ny fifaninanana amin’ity taom-pilalaovana ity. Izany hoe, any amin’ny tanànan’i Vangaindrano, Farafangana sy Manakara ary Mananjary, sns, no hizorany mialohan’ny higadonany eto an-drenivohitra. Tamin’ny alalan’ny fifaninanana natokana ho an’ireo kalaza isaky ny ligim-paritra « Trophée des As » farany teo kosa no nifantenana azy 66 mirahalahy ireo ka notsinjaraina ho ekipa 11. Izany hoe, atleta enina no mandrafitra ny ekipa iray.
 
Araka ny vaovao voaangona teny anivon’ny federasiona, firenena vahiny telo, Mayotte sy Frantsa ary La Réunion, no handray anjara amin’io ankoatra an’i Madagasikara mpampiantrano. Efa eo am-panomanana tanteraka ireo mpihazakazaka malagasy amin’izao fotoana. Marihina fa saika ry zareo vahiny hatrany no nahazo ny « Tour de Mada » tamin’ireo andiany teo aloha.
 

 

Miary Narindra

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com