|
 |
FANATANJAHANTENA |
|
|
Rugby Nanampy an’i Talas ny fanjakana
|
|
Ho fanatanterahana ny tenin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny hanampiana ireo atleta nitondra avo ny voninahi-pirenena dia naniraka ny minisitry ny fanatanjahantena, Virapin Ramamonjisoa, ny Filohan’ny tetezamita Andry Rajoelina, nijery sy namangy an-dRaharison Stanislas (Talas), mpilalao rugby fahiny, teny an-tranony tsetsy Ivandry. Marary ary voatery notapahin-tongotra i Talas noho ny aretina diabeta nahazo azy. Tsy tonga fotsiny amin’izao anefa ny minisitra fa nitondra fanampiana ho azy. Nanoloana izany, nilaza i Talas fa sambany no nisy manampahefana niditra ny tranony. Tsy nanafina ny hafaliany izy satria be no vitany tamin’ny firenena raha rugby no lazaina. Marihina fa efa niaro ny voninahi-pirenena tany Frantsa i Talas, niaraka tamin’Itompokolahy Ravolomaso. Tsy vao i Talas akory no atleta manana ny lazany nampian’ny fanjakana fa efa nisy teo aloha.
Torcelin
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|