Mondial 2010 Tafita tsy nahy ny Frantsay
|
|
<b> Niteraka resabe teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra eran-tany ny nahatafita an’i Frantsa, amin’ny Mondial 2010. Baolina nampidirin’i Gallas, natolotr’i Henry tamin’ny tanany no nahazoany ny tapakila. Nitomany ny Irlande, tsy faly ny ankamaroan’ny olona. Anisan’ireo firenena 32 hiatrika ny Mondial 2010, hotanterahina atsy Afrika Atsimo i Frantsa. Izany dia taorian’ny ady sahala 1 sy 1, nikatrohany tamin’i Irlandy, ny alarobia lasa teo, tao amin’ny Stade de France. Tsy nahafaly ny ankamaroan’ny olona maneran-tany ny nahatafita an’i Frantsa noho ny tsy nitsofan’ny mpitsara ny baolina nokitihan’i Henry tamin’ny tanany, ka nahatafidiran’i Gallas ny baolina, teo amin’ny minitra faha-103. Ry zareo Irlande no nitarika tamin’ny isa, nandritry ny 90 mn nilalaovana. Baolina izay nampidirin’i Keane, teo amin’ny minitra faha-32. Sahala teo ny isa satria 1 noho tsy misy ihany koa no nisarahan’ny roa tonta teo amin’ny lalao mandroso. Niaiky i Henry fa tena nandray tanana izy, saingy nambarany fa tsy mpitsara izy. Rehefa niverenana nojerena tamin’ny fahitalavitra ilay fihetsika dia voamarina tokoa fa nandray tanana i Henry, saingy tsy nitsoka izany ny mpitsara afovoany ary tsy nanangana ny sainany koa ny mpitsara an-jorony. Lasa resa-panjakana mihitsy ny naharesy an’i Irlandy ka nangataka amin’ny federasiona iraisam-pirenena Fifa ny minisitry ny fitsarana irlande, mba hamerenana ny fihaonana. Mbola andrasana ny valintenin’ny Fifa. Toa tsy azo inoana anefa ny mety hamerenana izany satria tsy maintsy miaro an’i Frantsa i Michel Platini, filohan’ny Uefa izay mpikambana ao amin’ny Fifa ihany koa. Ankoatra io, tafita koa Alzeria izay nandresy an’i Egypta tamin’ny isa 1 noho tsy misy. Efa fantatra avokoa ankehitriny ireo firenena 32 tafita any amin’ny Mondial 2010. Ny fisarihana ny sokajy hisy ireo ekipa tsirairay kosa dia hatao any Cap ny 4 desambra izao.
Tompondaka
IREO FIRENENA 32 TAFITA HIATRIKA NY MONDIAL 2010 : Faritra Afrika : Afrika Atsimo (firenena mpampiantrano), Ghana, Côte d'Ivoire, Nizeria, Kameronina, Alzeria.
Faritra Eorôpa : Pays-Bas, Angletera, Espagne, Alemaina, Italia, Serbia, Danemark, Soisa, Slovakia, Slovenia, Gresy, Portugal, Frantsa.
Faritra Amerika Atsimo : Brezila, Paraguay, Chili, Arzantina, Uruguay.
Faritra Concacaf : Etazonia, Meksika, Honduras.
Faritra Azia : Korea Atsimo, Korea Avaratra, Aostralia, Japana.
Faritra Oseania : Nouvelle-Zélande.
|
 |
|
|