Radio Feeling Mahajanga (RFM) Hitondra aina vao any Boeny
|
|
<i>«100% mafana». Izay no teny faneva entin’ny Onjam-peo Feeling ao Mahajanga (RFM), mandeha ao amin’ny Fm 104.4 Mhz. Mamoaka tanteraka ny andavanandron’ny mponina ao Mahajanga, ka hitondra aina vao, tsy ao an-tampon-tanàna ihany, fa manerana ny Faritra mihitsy no tanjona. Vao telo volana no nisian’ny RFM, saingy efa maheno azy hatrany Na-makia, Amboromalandy, Marovoay, Mahajanga II, sns, amin’izao fotoana. Mibahana kokoa ny hira mihetsika sy ireo fandaharam-pialamboly, ary anisan’ny nampiakatra ny lazan’ny RFM ny fidirana mivantana ataon’ny mpihaino. Mpanentana efa fantatra ao Mahajanga ihany no mifarimbona manome aina ny onjam-peo, toa an-dry Rasty (Jangama mibalady), Lôlô Brigitta (Hafatra an-kira), Célien Watsa (Salama finaritra), sns. «Tsy miankina amina antoko politika na fivavahana, fa hanome fahafaham-po ny rehetra fotsiny no antom-pisian’ny RFM», hoy i Vonjy Ramamonjy, tompon’andraikitra voalohan’ny onjam-peo, nandritra ny fampahafantarana.
Zo ny Aina
|
 |
|
|