www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 18/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.917.07 Ar
USD2.120.08 Ar
GBP3.252.73 Ar
CHF2.012.42 Ar
JPY23.41 Ar
ZAR290.54 Ar
HKD273.14 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 18/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX D’OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
KOLONTSAINA
Fandaharana « Tselatra »
 
Hiverina amin’ny endrika vaovao

        <b> Tsy hiova ny fanahin’ny fandaharana tany am-boalohany. Hiverina handeha amin’ny Tvm, amin’ny endriny vaovao kosa ny fandaharana « Tselatra ». Fampiroboroboana ny tena kolontsaina hatrany no tanjona.
 
Fandaharana ara-kolontsaina voalohany tamin’ny fahitalavitra ny «Tselatra». Rehefa nitsahatra dimy taona, hiverina amin’ny endriny vaovao indray izany. Ao amin’ny fahitalavi-pirenena Tvm ihany no andehanan’ny fandaharana. «Hotanana ny fanahin’ny fandaharana araka ny namolavolan’ny mpanatontosa azy tany am-boalohany, saingy hisy fanavaozana izany», hoy i Lucette Botralahy, mpanolotra ny fandaharana hatramin’ny niatombohany, izay lasa mpamolavola ihany koa amin’izao fotoana. Ny Sary sy Feo.Mg, matihanina manokana amin’ny fanatontosana horonantsary no hiantsoroka ny lafiny teknika, mba hanome ilay endrika vaovao. Ankoatra ny fanomezana ny fandaharam-potoana ara-kolontsaina mandritra ny herinandro sy ny akon’ny herinandro lasa, hiresahana ny tafan-kolontsaina vahiny sy malagasy ihany koa ny fandaharana. Hitovy lenta ireo karazan-javakanto rehetra, toy ny hira, dihy, teatra, fampirantiana, asa soratra, sarimihetsika, hosotra, haify, sns, mba ho ny tena kolontsaina no havoitra. Hisy noho izany ireo zana-pandaharana, toy ny «Vita gasy», iresahana ny taovolo, lamaody, haify, asa tanana, sns. Ny «Ribam-bazaha», hitarafana ny kolontsaina vahiny, ny «Akaiky», sehatra hifaneraseran’ny mpanakanto sy ny mpijery, ny «Gasy any an-dafy», ho an’ireo malagasy mikirakira ny kolontsaina any ivelany ary ny «Dona kely», hanomezana hevitra mikasika hetsika ara-kolontsaina iray.
 

 
Fangatahan’ny maro
 
Noho ny niantsoana an’i Lucette Botralahy hitana andraikitra hafa, amin’ny maha mpiasam-panjakana azy, no nitsaharan’ny fandaharana ny taona 2005. Fangatahan’ny maro no hamerenana azy indray, satria hany fantsona iray lehibe mahenika ny Nosy, nampahafantarana ny tena endri-kolontsaina ny «Tselatra». Efa nahatratra 400 mahery mantsy ireo fandaharana tontosa hatramin’izay, narahin’ireo Malagasy 9 tapitrisa manerana ny Nosy.
 

 

Zo ny Aina Randriatsiresy


 

 

 
Notanana ho 52 minitra ny faharetan’ny fandaharana izay handeha amin’ny Tvm isaky ny alarobia amin’ny 9 ora alina. I Lucette Botralahy ihany no hanolotra azy, saingy mety hisy endrika vaovao ato ho ato.
 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com