|
 |
POLITIKA |
|
|
Fanambarana voarara Hilatsaka ny sazin’ireo miaramila
|
|
Manoloana ny fanambarana nataon’ny ekipan’ny Kly Lylyson sy Charles Randrianasoavina, ny kaomandà Roger Luc sy kapiteny Mbohoazy Lahinilainy ary ireo tariny dia nilaza ny tompon’andraikitra eny amin’ny minisiteran’ny fiarovana fa hilatsaka ny sazy miaramila ho azy ireo. Tsy mbola fantatra anefa izay fepetra ho raisina fa mety hitovy amin’ireo manamboninahitra tsy mahazo mandia toby ihany koa. Raha tsiahivina, ny fiandaniana nataon’ireo mpanolontsaina miaramilan’ny Filoha Rajoelina teny Ambohitsorohitra no namoha indray ny resaka fandikan-dalàna sy fanohintoinana ny soa toavina miaramila ity. Namaly izany an-gazety koa ireo milaza fa tsy manao politika. Fanambarana tsy nanaja ny rafitra an-tanan-tohatra no nataon’ireto andiana miaramila ireto ka tsy maintsy handraisana fepetra.
r.r
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|