|
 |
POLITIKA |
|
|
Ankolafy Ratsiraka sy Zafy Nahazo ny fitantanam-bola sy ny raharaham-bahiny
|
|
Karazany efa vita hatreto ny fitsinjarana ireo seza ifampizarana ao anatin’ny Governemanta. Ny vaovao farany azo halina no nahalalana fa nisy ny fifanarahana vita teo amin’ny ankolafy telo Ratsiraka, Zafy, Rajoelina. Tapaka fa ho lasan’ny ekipan’ny Amiraly ny minisiteran’ny tetibola, ho an’ingahy Profesora kosa ny raharaham-bahiny, ho setrin’izay anefa dia mandefa anarana fotsiny any amin’ny praiminisitra izy ireo amin’ny toerana hafa fa tsy manan-tsafidy. Izay hametrahana ny olony dia tsy maintsy ekeny. Ny ankolafy Ravalomanana sisa no mbola miziriziry miady izay toerana tiany hidirana ka handrasana izay ho fanapahan-keviny.
Fihaonana… mangina Taorian’ny filankevitry ny Filoha sy ny praiminisitra teny Ambohitsorohitra ny alarobia alina lasa teo, nihaona manokana tamin’ny lehiben’ny ankolafy efatra Atoa Mangalaza Eugène. Nifampidinika tamin’Atoa Andry Rajoelina izy rehefa avy teny amin’ny Villa La Franchise, trano fonenan’ny Profesora Zafy Albert. Atoa Ange Andrianarisoa kosa no solontenan’ny Amiraly. Tsy nisy nipika, toy ny mahazatra ny resaka, ny vaovao voangona teny antsefantsefany teny no nahafantarana fa naka ny anaran’izay handrafitra ny governemantany izy. Afaka 24 ora no hiandrasana ny fijoroan’ izany. Hatreto aloha, tsy mbola misy ny anarana mivoaka fa resabe eny an-dalantsara no betsaka.
Riana Raymond
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|