www.taratramada.com                                                                                                     Gazety Malagasy mivoaka isan'andro
Lohanteny Pôlitika Fihariana - Toekarena Fiarahamonina Fiainam-pirenena
Toetrandro Kolontsaina Fanatanjahantena Faritra Hatsikana
 Karoka
 
  Vaovao Misongadina
Pôlitika
Fihariana sy Toekarena
Fiarahamonina
Fiainam-pirenena
  Vaovao Samihafa
Toetrandro
Kolontsaina
Fanatanjahantena
Faritra
Hatsikana
  Contact
Contact
  Liens
Liens
 
 
  Sandam-bola
ny 18/3/2010
EURO(cmax)- Ar
EURO(cmin)- Ar
EURO(cmp)2.917.07 Ar
USD2.120.08 Ar
GBP3.252.73 Ar
CHF2.012.42 Ar
JPY23.41 Ar
ZAR290.54 Ar
HKD273.14 Ar
  Toetrandro
Mety ho toetrandro ny 18/3/2010

Source:
Les-nouvelles.com

FLUX D’OUEST SUR MADAGASCAR

Voir le détail
POLITIKA
Filoha Fetison tany Ambatondrazaka
 
Niditra an-tsehatra ireo tsy nankasitraka saingy…

        <b> Mitohy ny fitsidihan’ny Filoha Fetison Rakoto Andrianirina any anivon’ny Faritra. Tany an-drenivohitry ny Faritra Alaotra ny tenany, omaly. Niditra an-tsehatra koa ireo tsy mpankasitraka saingy…
 
Tokony ho tamin’ny 10 ora maraina no tonga tao Ambatondrazaka ny delegasiona notarihin’ny Filoha Fetison narahin’ireo vahoaka mpiandany amin’ny Filoha Ravalomanana any an-toerana. Nitsena azy ny mpiahy ny Faritra Alaotra Mangoro raha tsy tazana kosa toy ny tany Antsirabe ny lehiben’ny Faritra. Tonga tao koa ireo olona vitsivitsy avy any Vohidiala nitondra sora-baventy : «Tsy manaiky ny fangejan-dRavalomanana. Avereno ny taninay»… Voalaza fa nosivanina ireo olona nahazo niditra ny kianja nanatanterahana ny famoriam-bahoaka ka ireo avy amin’ny antoko Tim amin’ny ankapobeny no niatrika izany. Anisan’ny voasakana tsy afa-nanao ny asany tamin’izany ny mpanao gazety sasany.
 
Fampitam-baovao hafa no nilaza fa nitsena ny Filoha ny lehiben’ny Faritra iray teo aloha ary niezaka nandamina ireo andian’olona vitsivitsy nitondra sora-baventy niaraka tamin’ny mpitandro filaminana 15 teo ho eo. Voalaza fa nihorakoraka ireo olona ireo nandritra ny lahateny nifandimbiasana.
 
Ny teo anivon’ny mpitandro filaminana kosa nilaza fa olona enina ireo nitondra sora-baventy telo milaza ny tsy fanekena fampodiana an-dRavalomanana intsony. Voasakan’ny mpiambina manokana ny Filoha Fetison izy ireo ka tsy tafiditra tao amin’ny kianja nanaovana ny famoriam-bahoaka. Tsy nisy ny fifandonana na tora-bato, araka ny fampitam-baovaon’ny mpitandro filaminana. Na teo aza izany, nilamina ny fitsidihan’ny Filoha Fetison Rakoto Andrianirina tany Ambatondrazaka.
 
Marihina fa hitohy anio any Arivonimamo ny fitsidihan’ny Filoha Fetison raha tsy misy ny fiovana.
 

 

Rarivo sy Synèse R.

 
 





Tahiry
 
Fanadihadiana
 
Tahiry
 
© Copyright 2004 et droits réservés à http://www.taratramada.com