|
 |
TOEKARENA-FIHARIANA |
|
|
Trosam-panjakana Voaloa ny taona 2009
|
|
Tsy nisy fahatarana fa voaloa ny trosam-panjakana any ivelany tamin’ity taona ity na teo aza ny krizy. Trosa ivelany mitentina 97,3 miliara Ariary ary tsy maintsy naloa ara-potoana mba hahazoana manohy fangatahana fanampiana amin’ny manaraka. Voaloa tsy tapaka toy izany koa ny karaman’ny mpiasam-panjakana. Momba ny fidiram-bolam-panjakana amin’ny ankapobeny : hetra, Tva, haba isan-karazany nahatratra 75%. Nambaran’ny ao amin’ny minisiteran’ny vola sy ny tetibolam-panjakana, fa mitohy ara-dalàna ny asan’ny faditseranana rehetra manerana ny Nosy na somary nahitana fitokonana tany Toamasina. Ny tena marina, nampidi-bola tamin’ny fanjakana ihany ireo orinasa nihodina na nihena aza ny asany. Nisy kosa ireo orinasa azo ambara fa tsy tratran’ny krizy mihitsy, tao koa ireo vao nisokatra ary nanohy ny asany hatrany ireo orinasa lehibe vahiny toy ny Qmm sy ny Sherritt. Na izany aza, mandalo fotoan-tsarotra ny fihariana. Tsy azo lavina kosa anefa ny fisian’ny kolikoly mampihena ny fidiram-bolam-panjakana.
R.Mathieu
|
 |
|
|
|
|
|
|
|
|
| Fanadihadiana |
 |
|
|
|
|
| |
|